|
|
|
|

Teny iditra 1  mangetaheta
Fototeny  2 hetaheta
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
Fanazavàna teny malagasy  7 Maimay hisotro, te hisotro mafy: Mahafinaritra raha mangetaheta ka sendra rano madio mangalahala
8 Maniry mafy hahazo, mitsiriritra lava tsy mety afa-po: Mangetaheta voninahitra Rangahy io [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  9 to be thirsty, ardently desirous [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  10 avoir soif [1.8]
Ohatra  11  Injay, tsaroany toa mangetaheta safosafo ny tenany manontolo. [2.529#]
12  Firenena tia vavaka ny Malagasy, ary mangetaheta fahalalana sy fahendrena. [2.285#]
13  Marary izy any, tsaboy, Raha noana izy any, fahano, mangetaheta izy any, ampisotroy. [2.69#]
Fikambanana  14  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 2 misy ny teny hoe mangetaheta
Ohabolana  15  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21