Teny iditra manidy (hidy)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manao izay tsy hahafahan' ny varavarana, vavahady, hidin-drano..., mivoha: Nanidy varavarana tamin' ny karetsaka izy dia lasa natory
Misakana na mandrara tsy hahazoana mandeha: Misy didy manidy ny lalana miankandrefana fa misy areti-mifindra, hono, any [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Fermer à clef, avec un verrou, avec une barre, mettre sous clef, enfermer dans la maison, interdire un passage [1.3]
Ohatra 
1ary raha mitsipika am-baravarana, halainay rehefa manidy trano; [2.654]
2Isaky ny tsinana ny volana dia hoatra ny romotra izy, ka manidy trano avokoa izahay rehetra. [2.499]
3Ny efitrano ipetrahako mantsy ambony rihana, ny tompon-trano, no ao ambany ary izy no mamoha sy manidy ny varavarana fidirana. [2.4]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manidy
Ny lasa : nanidy
Ny hoavy : hanidy
Filaza mandidy : manidia

Teny iditra mañidy
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Taisaka] Mampiseho ny andrianify [1.78]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20