Teny iditra manisika (sisika)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mampiditra: Manisika antsy ao anaty fery
Mampiditra ombieny ombieny: Manisika teny frantsay mandrakariva amin' ny resany rangahy io
Manampy, manosoka: Voatery hanisika takelaka enina amin' ny boky ianao raha hanampy an' io toko iray vaovao io
Manome vola na zavatra olona mba hanangolena azy, hitaomana azy tsy hanao ny adidiny: Tsy tokony hisy hanisika mpiasam-panjakana na iza na iza [1.1]
 Mampiditra sisika ao anelanelan'ny litera na fehezanteny [1.13]
Fanazavàna teny frantsay Espacer, intercaler [1.13]
Ohatra Koa miala tsiny, miala fondro aho, ny Andriamanjaka, raha manisika teny kely eto. [2.528]
Voambolana 
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manisika
Ny lasa : nanisika
Ny hoavy : hanisika
Filaza mandidy : manisiha
Kamban-teny 

Teny iditra manisika
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Bezanozano] mividy [1.78]

Teny iditra manisika
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Tanosy] mihantsy [1.78]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/27