Teny iditra manitatra (itatra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manalehibe, manalalaka, manely: Nanitatra ny tranony Rabe fanitombo ny zanaka aman-jafiny ~ Mahay manitatra ny fanjakany io mpanjaka io
Mampitombo na habe na habetsahana: Manitatra ny fahalalana ny vakiteny
Mampitombo filaza: Olona roa no maty tamin' ilay lozam-piarakodia teo Antanimena natal nolazaln' ny gazety fa valo; loza ny gazety sasany raha hanitatra
Mitovy hevitra: manao filazan-dRamitraho ~ manao tera-bao filaza ~ matavy filaza [1.1]
Fanazavàna teny frantsay élargir, agrandir, exagérer, étendre [1.13]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manitatra
Ny lasa : nanitatra
Ny hoavy : hanitatra
Filaza mandidy : manitara
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20