|
|
|
|

Teny iditra (1/3) 1  manopy
Fototeny  2 topy
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Mandefa, manatodika (ny maso) mba hijery kely miserana: Manopy maso amin-javatra
9 Manipy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  10 to glance at
11 to throw water, etc., on [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  12 jeter un coup d'oeil sur
13 asperger d'eau [1.8]
Ohatra  14  Nony nitraka izy dia nanopy maso farany ny marary, dia hoy izy: [2.470#62]
15  Diso aho, satria iny tovolahy iray tsy natahotra ny fidaniky ny andro no namakivaky ny tora-pasika mahamay tamin'ny famindra nivembena, nanopy tsindraindray tami'ny manodidina, nahatazana ahy nivalapatra teo amin'ny aloka, dia nanitsy ny nisy ahy. [2.583#4]
Fikambanana  16  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 5 misy ny teny hoe manopy

Teny iditra (2/3) 17  mañopy
Sokajin-teny  18  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  19 [Antesaka] miambina, miandry [1.78]

Teny iditra (3/3) 20  mañopy
Sokajin-teny  21  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  22 [Antesaka] mamela vatsy [1.78]

Fivaditsoratra  23 inampo, manopy, mañopy, 24 pamony

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/18