|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  miantoka
Fototeny  2 antoka
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Milaza ny tena ho tompon' andraikitra momba ny zavatra Iray raha very na simba na tsy vita araka ny fifanarahana fo zavatra io, ka manao izay hiverenany na hahavitany: Aza matahotra ianao fa izaho no miantoka ny volanao nosamborin-dRakoto
9 Milaza fa ny tena no tompon' andraikitra momba ny toetran' olona iray na zavatra iray: Izaho no miantoka io voampanga io fa aoelao aloha izy hody any amin' ny fianakaviany
10 Mandray ho andraikitra ny fandoavana ny vola lany: Tsaboy tsara ity marary ity fa izaho no hiantoka izay lany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  11 to be surety for. [1.2]
12 to guarantee; to carry the expense of; to insure, to go good for [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  13 garantir; se charger des frais de; assurer [1.8]
Ohatra  14  Fantatro anefa fa tsy miantoka na inona na inona izany. [2.472#257]
15  Miasa andro aman' alina ny sambo amin' ny fanondranana entana, saingy efa-dahy izahay no miantoka ny fanisana entana, ka roa lahy isaky ny miditra. [2.471#36]
Ohabolana  16  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2) 17  miantoka
Fototeny  18 antoka
Sokajin-teny  19  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
20  Ny ankehitriny :
21  Ny lasa :
22  Ny hoavy :
23  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny anglisy  24 to nod assent. [1.2]

Fivaditsoratra  25 mañotaky, 26 manotika, miantoka, 27 mikatòna, mikatona, 28 mikotana, mikotàna, 29 mitakona, mitakòna, 30 mitokana, mitokàna, 31 mitonàka

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/15