|
|
|
|

Teny iditra 1  mibaiko
Fototeny  2 baiko
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Manome didy am-bava na an-tsoratra ny miaramila fehezina: Iza dry, raha fantatrao, no nibaiko ny miaramita tany Andriba?
9 Manao famantarana amin' ny moana na amin' ny biby ka azon' izy ireo izay tiana holazaina amin' izany famantarana izany: Mahay mibaiko ny alikany fatratra lahy io Rangahy io [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  10 to speak in words of a foreign language; to use words of command. These words originally came into use in drilling soldiers. [1.2]
11 to command [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  12 Parler un langage étranger, donner un commandement par paroles ou par signes [1.3]
13 donner un commandement [1.8]
Ohatra  14  Dia nibaiko ireo miaramilany ilay lehibeny, ka nasainy najanona ny vono. [2.324]
15  Sady mibaiko izy, no manontany, no manompa, ka i Lidy mifihifihy no manaraka azy eto aoriana sy manao izay lazainy. [2.470#153]
16  Amin' ny fotoana toy izany, ny famonjena ny aina no hany sisa mibaiko sy ankatoavina. [2.472#130]

Fivaditsoratra  mibaiko, 17 miboaky, 18 miboika

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/20