|
|
|
|

Teny iditra 1  mifitsaka
Fototeny  2 fitsaka
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 mipetraka tsara mova tsy ny mifintina mihitsy ny tenany, miampirina [2.314]
9 Mihafisaka, mandry: Mifitsaka ny volon-doha raha lena ~ Mifitsaka ny katsaka azon' ny orana
10 Mifintina: Mifitsaka ny tany tratran' ny orana
11 Mipetraka tsy mihetsika: Mifitsaha aloha ato an-trano fa mangatsiaka any ivelany
12 Miery: Mifitsaka ao anatin' io lava-bato io izy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  13 to be flat and thin, to slip into a narrow place [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  14 être plat et mince [1.8]
Ohatra  15  nifitsaka toa tsy afa-nihetsika ny marary; [2.470#56]
16  Noho izany rehetra izany, nifitsaka izahay tao amin' ny sekoly na iza na iza. [2.472#247]
17  Rehefa mifitsaka tsara io dia andefasana fako sy tany masaka vaovao indray. [2.117#21]

Fivaditsoratra  mifitsaka, 18 mitsifaka

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/20