|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  mifositra
Fototeny  2 fositra
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 mandoaka
9 mandilotra hazo iray eo ambonin' ny hazo iray hafa mba hahazoana afo [1.1]
10 [Sihanaka] milevina, misitrika anaty tany [1.78]
Fanazavàna teny anglisy  11 to produce fire by friction.
12 to enter anything, to hide in the earth, to become embedded, as locusts and chameleons in depositing their eggs, or as a serpent in the grass, etc. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  13 percer
14 faire tourner un bois dans un autre pour produire du feu
15 faire un trou dans la terre pour y déposer des oeufs, comme font les sauterelles: Mifositra ny fasika ny valala hanatodiza (Les sauterelles font un trou dans le sable pour y déposer leurs oeufs) [1.3]
Ohatra  16  Raha nisy nandalo tamin' izay fotoana izay, dia ho nahita lehilahy iray amin' ny mangiran-dratsy, mifositra amin' ny tany eo ambody hazo, misy basy marovava sy angady eo akaikiny, mitomany mifokofoko irery eo. [2.472#238]

Teny iditra (2/2) 17  mifositra
Fototeny  18 fositra
Sokajin-teny  19  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
20  Ny ankehitriny :
21  Ny lasa :
22  Ny hoavy :
Fanazavàna teny malagasy  23 milozoka, mikezaka, mifofotra, milofo: Mifositra amin' ny asany io lehilahy io [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  24 to be continually engaged in business with another; to urge importunately. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  25 s'appliquer avec ardeur: Mifositra amin' ny asany izy (Il s'applique avec ardeur à son travail) [1.3]

Fivaditsoratra  mifositra, 26 misifotra, 27 ramifotsy, 28 tsimarofy, 29 tsy marofy

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/20