Teny iditra mijajirika (jajirika)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mijoro tsy mihetsika na kely aza: Inona àry no ataon' io olona mijajirika eo amin' ny orana io?
Mitsangana miandry ela: Nijajirika ela teo an-tokotany ilay Rangahy vao nampandrosoin' ny tompon-trano [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To endure, to continue, to wait patiently about, as a person standing outside one's house and exposed to the wind and rain [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Se tenir debout sans bouger, attendre: Aza mijajirika ao amin' ny ranonorana (Ne restez pas là exposé à la pluie) ~ Efa nijajirika ela teo an-tokotany izahay vao tonga hianao (Nous avons attendu longtemps dans l'emplacement avant votre arrivée [1.3]
Ohatra 
1kanjo hay zava-doza ity mijajirika ora maro ity! [2.643]
2Fantatrareo ve, hoy Ibaomaria, no toa samy mijajirika hoatra ny vatolahy izato hianareo? [2.499]
3Dia ilay tovolahy nisalaka landy mijajirika somary mihomehy maneso eo anivon' ny afo sy ny tabataba! [2.5]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mijajirika
Ny lasa : nijajirika
Ny hoavy : hijajirika
Filaza mandidy : mijajiriha

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20