| Teny iditra | 1 mikasika |
| Fototeny | 2 kasika |
| Sokajin-teny | 3 matoantenin' ny mpanao |
| Haiendriteny |
|
| Fanazavàna teny malagasy |
8 Mampandalo ny tanana eo ambony: Aza mikasika io marary hoditra io
9 Misafosafo, mandalo eo amin' ny...: Nikasika ny tendron' orony ny vato 10 Tonga: Efa nikasika ny faritanin' ny Sakalava izahay vao nahazo aina 11 Miraharaha, mandray anjara amin' ny...: Soa ihany fa tsy nikasika io raharaha io aho 12 Momba: Mikasika ny politika ankapobeny ny resaka nataonay [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
13 to touch in passing
14 Fig.: to allude to, to hint at [1.2#320] |
| Fanazavàna teny frantsay |
15 toucher: Aza mikasika ahy (Ne me touchez pas) ~ Aza mikasika ny tsy fikasika (Ne touchez pas ce qu'on ne doit pas toucher)
16 effleurer: Nikasika ny ravin-tsofiny ny bala (La balle effleura son oreille) 17 atteindre: Efa nikasika ny tanin' ny Betsileo izahay vao niverina (Lorsque nous eûmes atteint le pays des Betsileos, nous revinmes) 18 s'occuper, se mêler: Aza mikasika izany raharaha izany (Ne vous occupez pas de cette affaire) ~ Aza mikasika ny tsy fikasika (Ne vous mêlez pas de ce qui ne vous regarde pas, de ce que vous ne savez pas) 19 concerner: Mikasika ny fivavahana (Cela concerne la religion) 20 regarder: Mikasika anao izany raharaha izany (Cette affaire vous regarde) 21 fréquenter [1.3] 22 toucher [1.8, 1.5] 23 toucher en passant 24 mentionner en parlant ou en écrivant [1.8] |
| Ohatra |
25 Aza matahotra foana anefa hianao, fa raha misy mikasika anao, raha tsy ny aiko no lasa, na dia hisy ra hakitrokely aza, tsy miraika aho.
[2.324]
26 Marina fa tsy nikasika ny mponina rehetra izany. [2.472#247] 27 tsy mahazo mikasika ny faty, na ray, na reny, na vady, na zanaka: raha maty dia tsy mahazo mikasika azy [2.48#174] |
| Fikambanana | 28 Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny hoe mikasika |
| Ohabolana | 29 Ohabolana misy io teny io |
| Fivaditsoratra | mikasika, 30 mikisaka |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21 |
|