|
|
|
|

Teny iditra 1  mikatroka
Fototeny  2 katroka
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Mipoka, mandona, mifandona amin' ny...: Nihatroka tamin' ny tamboho ny lohan' ilay mpitaingina bisikilety
9 Miady, mihaona: Nikatroka tamin' ny Asabotsy ny mpanao baolina roa tonta
10 Manao, miasa, mianatra tsara am-pilofosana, am-piezahana fatratra: Nikatroka marina tamin' ny fianarana io zazalahy io ka tsy mahagaga raha afa-panadinana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  11 to bump or bang against; to make a serious effort [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  12 choquer, heurter; faire avec zèle [1.8]
Fikambanana  13  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny hoe mikatroka

Fivaditsoratra  14 makatroky, mikatroka

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/20