|
|
|
|

Teny iditra1  mindrana
Fototeny  2  indrana
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4  Mangataka zavatr' olona mba hanaovana na hampiasaina vetivety fa haverina rehefa avy eo: Mindrana boky amin' ny namana
5  Miangavy olona hanao raharahan' ny tena: Nindrana ahy izy mba handatsaka ny zanany.
6  Mindram-pangady lohataona ka maniraka ny tompony hiasa: ny findraman-javatra amin' ny fotoana fampiasan' ny olona azy dia tahaka ny manome hevitra ny tompony hampiasa azy na dia tsy nivonona ny amin' izany aza izy
7  Ibaikamo mindram-pangady, ka "ara mahita ante aho": ilazana olona tsy te hiasa ka mirary ny tsy hahitany angady hiasany, na olona manao alasafay fotsiny ka toa voatery hanao zavatra nefa tsy araka ny fony akory [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  8  to borrow a thing for a time. [1.2]
9  to borrow (when the same object is to be returned) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  10  emprunter (quand l'objet même sera retourné) [1.8]
Haiendriteny 
11  Ny ankehitriny :
12  Ny lasa :
13  Ny hoavy :
14  Filaza mandidy :
Kamban-teny 
Ohabolana  16  Ohabolana misy io teny mindrana io

Fivaditsoratra  17  manindra, mañindra, mindrana

Nohavaozina tamin' ny 2023/09/25