| Teny iditra | 1 miontana |
| Fototeny | 2 ontana |
| Sokajin-teny | 3 matoantenin' ny mpanao |
| Haiendriteny |
|
| Fanazavàna teny malagasy |
7 Mihendratra, mientana, taitra tampoka (ny fo): Niontana iray ihany ny fony noho ny tahotra. Mason-tanora mirangany anay / ka mifenifeny ny hahazo / Fon-jatovo miontana / ka miharana ny mba hotanana. (Rajaonah Tselatra)
[1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
8 to startle, to start up.
[1.2] |
| Fanazavàna teny frantsay |
9 tressaillir, être ému subitement: Miontana iray hiany ny foko (J'en suis tout ému)
[1.3] |
| Fivaditsoratra | 10 amintano, 11 manotany, 12 manotìna, manotina, miontana |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/08/19 |
|