Teny iditra | mitarika (tarika) | ||||||||
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao | ||||||||
Fanazavàna teny malagasy | Mandrirotra, misarika: Mitari-bato ~ Soavaly mainty sy fotsy no nitarika ny kalesy Misintona, manintona: Nody nandositra izy mba hitarika ny fahavalo any amin' ny toerana misa velapandrika Mitondra: Ianao no aoka hitarika ireto vahiny ireto any amin' ny tranom-bahiny? ~ Iza no mitarika ireto mpianatra ireto? Mitaona: Ikoto no mitarika azy hiloka Manomboka sady mitantana, manainga, manentana: Mitarika fivavahana, mitari-kira Mibaiko, mandeha eny anoloana mba hibaiko sy harahin' ny sasany: Mitari-tafika Mampahazo, mampahita: Mitarika voninahitra ny fahaizana matetika Mirefarefa: Mitarika ny ziponao fa akaro [1.1] | ||||||||
Fanazavàna teny frantsay | Traîner, tirer, attirer, conduire, diriger [1.3] | ||||||||
Haiendriteny |
| ||||||||
Kamban-teny |
| ||||||||
Ohabolana | Ohabolana misy io teny mitarika io | ||||||||
Fivaditsoratra | miakatry, miatrika, miritaka, mitarika, mitraika, mitriaka |
Nohavaozina tamin' ny 2023/09/25 |