|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  ndeha
Sokajin-teny  2  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  3  mampanao asa olona, mitovy amin' ny hoe "mandehana": 'Ndeha milalao amin' izay ianareo, rankizy
4  Mitaona olona hiara-hanao asa iray amin' ny tena izay miteny: 'Ndeha hilalao amin' izay isika, rankizy (tsara homarihina, araka ireo ohatra roa ireo, fa amin' ilay hevitra voalohany (fandidiana), dia atao milaza ny ankehitriny ny matoanteny manaraka ny "andeha na ndeha", fa amin' ilay faharoa kosa (fitaomana), atao milaza ny ho avy) [1.1#766]
Fanazavàna teny frantsay  5  comme andeha. Va, pars, allons, partons, allez, partez [1.3#450]
Ohatra  6  ndeha hatory isika izao. [2.270#]
7  Angady no entiko,' ndeha hatakaloko akoho. [2.69#]
8  Raha sitrakao, ndeha hijery azy any isika? [2.470#]
9  Niridiridy nitsangana izy ndeha hamely ahy. [2.4#]
Tsipelina hafa  10  andeha
Tsanganana sy sary iray takila  11  Ny matoantenin' ny mpanao mandidy rehetra

Teny iditra (2/2)12  ndeha
Sokajin-teny  13  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  14  entina milaza asa na fisehoan-javatra mifanindry amin' ny asa ho avy iray: Ndeha hivoaka ny trano indrindra aho no nirotsaka ny orana [1.1]
Tsipelina hafa  15  nde

Nohavaozina tamin' ny 2021/10/05