Lahatsiratra manontolo |
8 Raha manadino anao ry Gasikara tanindrazako
9 Izany nofoko tanora sy ny foko valabalaka,
10 Aoka ny efako rehetra sy ny lasa namafazako
11 Hody aloka hitondra ho ao ampasana malalaka.
12 Ka ny lelako hiraikitra aminao ry lanilaniko,
13 Izany tànako an-kavanana hanadino, ka ny làlako
14 Hody haolo, feno dia, raha toa ka ny taniko
15 Tsy hahita izay famiratry ny jiron'ny fanalako.
16 Ho anao ry Tany mamy mahalala ny tantarako
17 No iriko hiasan'izay fihoitry ny finiavako,
18 Ho anao no niandohako, ho anao ny ora farako
19 Ho anao no hanakoan'izay ho akon'ny fitiavako.
20 Koa avaoziko eto indray izany fanoloran-tenako
21 Ka averiko ho tsaroana sy lazaiko mba ho fantatra :
22 Fa izaho (!) dia hanompo izany tany sy fonenako,
23 Ka ny Fireneko tiana no iriko mba ho sambatra !
24 Raha manadino anao ry Gasikara tanindrazako
25 Izany nofoko tanora sy ny foko zary valaka,
26 Aoka ny efako rehetra sy ny lasa namafazako
27 Hody aloka hitondra ho ao ampasana malalaka.
|
|