Teny iditra samborina (sambotra)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Enjehina: Nosamboriko ilay vorona fa tsy azoko
Raisina: Nosamborin' ny Polisy ilay mpangalatra
Indramina (raha vola no tenenina, izany hoe mbola honerana): Ariary zato no nosamboriny tatỳ amiko omaly [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be captured; to be borrowed (when the thing borrowed is to be replaced , as with rice or money) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on fait prisonnier; qu'on emprunte (quand l'article emprunté sera remplacé, comme le riz ou l'argent) [1.8]
Ohatra Fa izay azo samborina no samborina, dia ireo mpiantoko tamin' ny tany sola rehetra. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : samborina, samboriko, samborinao, samboriny, samborintsika, samborinay, samborinareo, samborin', samborin-, samborim-, sambori-
Ny lasa : nosamborina, nosamboriko, nosamborinao, nosamboriny, nosamborintsika, nosamborinay, nosamborinareo, nosamborin', nosamborin-, nosamborim-, nosambori-
Ny hoavy : hosamborina, hosamboriko, hosamborinao, hosamboriny, hosamborintsika, hosamborinay, hosamborinareo, hosamborin', hosamborin-, hosamborim-, hosambori-
Filaza mandidy : sambory
Anaram-javamaniry 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20