| Teny iditra | 1 satroka |
| Sokajin-teny | 2 anarana |
| Haiendriteny |
|
| Sampanteny |
|
| Fanazavàna teny malagasy |
20 Isam-pitafiana mandrakotra ny loha, vita amin' ny bonetra na bosoa na amin' ny karazan-javamaniry toy ny mololo, ny penjy... ary na amin' ny lamba koa aza. Arakaraka ny zavatra anaovana azy na ny bikany, ireto avy ny karazan-tsatroka lehibebe hita teto: satroka ahibano, satroka ba, satroka bonetra, satro-bory, satroka harona, satroka jaomalanga, satroka jobo, satroka kasikety, satroka panama, satroka penjy, satroka tavimandry, satroka valalamihoatra, satroka fito rantsana
[1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
21 a hat
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
22 chapeau
[1.8] |
| Ohatra |
23 Vao renay ny fiarakodia avy dia niampirina an-tsisin-dalana izahay rehetra ary efa nivonona hanala satroka daholo.
[2.472#65]
|
| Fikambanana | 24 Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 23 misy ny teny hoe satroka |
| Ohabolana | 25 Ohabolana misy io teny io |
| Sary |
|
| Fivaditsoratra | 27 koartsa, 28 kosatra, 29 rotsaka, satroka, 30 sokatra, 31 trosaka, 32 tsoraka |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21 |
|