|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  takatra
Sokajin-teny  2  matoanteny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.78] [Sihanaka] tratra
4  [1.78] [Tanala] tratran'ny tànana ( raisina )
5  [1.1] Tratran' ny tanana, azon' ny tanana raisina: Tsy takatro io voankazo io fa avo loatra. / Vakin' io zaza kely io izay rehetra takany
Mety ho tratran-javatra atsipy na atoraka: Ho takatoraka va re irỳ trano menamena, irỳ?
Mety ho vita noho ny fananana saina, vola: Lafo loatra izany ka tsy takatry ny volako!
Fanazavàna teny anglisy  6  [1.7] reached or attained; understood
Fanazavàna teny frantsay  7  [1.3] atteint par la main, par un instrument, par un projectile: Tsy takatra io voankazo io (On ne peut pas atteindre ce fruit avec la main) ~ Tsy taka-toraka io trano io (On ne peut pas atteindre cette maison avec une pierre)
perçu par la vue, par l'intelligence: Tsy takatry ny saintsika izany (Notre intelligence ne peut pas comprendre cela)
a quoi on peut parvenir par ses talents, par son argent: Tsy takatry ny volako izany (Je n'ai pas assez d'argent pour atteindre ce prix)
8  [1.8] qu'on atteint; compris
Ohatra  9  "Tsy takatra tokoa izany," hoy ny olona. [2.293]
10  ary na Ambohimiarina aza dia takatra itampodiàna. [2.588#]
Haiendriteny 
11  Ny ankehitriny :
12  Ny lasa :
13  Ny hoavy :
Sampanteny 
14  Matoantenin' ny mpanao :
15  Matoantenin' ny iharana :
16  Matoantenin' ny fameno :
17  Anarana :
Tovy hevitra  18  takatre
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Anaran-toerana 
Ohabolana  30  Ohabolana misy io teny takatra io

Teny iditra (2/3)31  takatra
Sokajin-teny  32  mpamaritra
Fanazavàna teny frantsay  33  [1.3] maigre
34  [2.415] Se disait des maigres.

Teny iditra (3/3)35  takatra
Sokajin-teny  36  anarana
Fanazavàna teny malagasy  37  [1.1] Vorona mitovitovy habe amin' ny vantotr' akoho saingy lava vozona sy lava vava, nefa ny bikan' ny lohany no manaitra avy hatrany fa tazana mandrakariva toa fisaka, nefa ny marina dia ny volony no somary lava eo ankatony sady mitsangan-dava misandrahaka; ny volon' endriky ny tenany rehetra dia manja vasoka
Fanazavàna teny anglisy  38  [1.7] the tufted umber (bird)
Fanazavàna teny frantsay  39  [1.3] oiseau brunâtre, de mauvais augure, qui construit un nid énorme, ombrette; Scorpus umbretta, Gm.
40  [1.54] ombrette
41  [1.8] l'ombrette, oiseau d'eau
42  [2.415] Oiseau de mauvais augure.
Ohatra  43  Ny papango fangalarina
ny goaika didimaso
ary ny takatra lava hatoka
samy ratsy ka mifanenitra
[2.131]
Voambolana  44  Haibiby: vorona
Kamban-teny 
Anaram-biby 
Ohabolana  51  Ohabolana misy io teny takatra io
Teny nalaina  52  Soratra misy io teny takatra io

Fivaditsoratra  53  atakatr, takatra

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21