Teny iditra tebahina (tebaka)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Esoina, haratsiana, kianina: Tsy zakako mihitsy ny nataony fa notebahiny teo imason' ny olona teo aho
Atao tsinontsinona, tsizarizarina, zimbazimbaina, fotsifotsina: Izao no todin' ny nataonao fa notebahinao ny anatra natao anao [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : tebahina, tebahiko, tebahinao, tebahiny, tebahintsika, tebahinay, tebahinareo, tebahin', tebahin-, tebahim-, tebahi-
Ny lasa : notebahina, notebahiko, notebahinao, notebahiny, notebahintsika, notebahinay, notebahinareo, notebahin', notebahin-, notebahim-, notebahi-
Ny hoavy : hotebahina, hotebahiko, hotebahinao, hotebahiny, hotebahintsika, hotebahinay, hotebahinareo, hotebahin', hotebahin-, hotebahim-, hotebahi-
Filaza mandidy : tebaho

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20