Teny iditra teriterena (teritery (tery))
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Ohatra Olona tsy tia hoteriterena amin' izay safidiny ny Malagasy, nefa kosa mora azo amin'ny nahiny raha efa hajaina ny safidiny. [2.298]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : teriterena, teritereko, teriterenao, teritereny, teriterentsika, teriterenay, teriterenareo, teriteren', teriteren-, teriterem-, teritere-
Ny lasa : noteriterena, noteritereko, noteriterenao, noteritereny, noteriterentsika, noteriterenay, noteriterenareo, noteriteren', noteriteren-, noteriterem-, noteritere-
Ny hoavy : hoteriterena, hoteritereko, hoteriterenao, hoteritereny, hoteriterentsika, hoteriterenay, hoteriterenareo, hoteriteren', hoteriteren-, hoteriterem-, hoteritere-

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20