|
|
|
|

Teny iditra (1/8)1  tomboka
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Fandentehana angady amin' ny tany; fanapahana (biby na ahitra) main' ny angady; famelezana amin-java-maranitra
Fanazavàna teny frantsay  4  [1.3] un coup de pioche donné à la terre
Kamban-teny 

Teny iditra (2/8)9  tomboka
Sokajin-teny  10  anarana
Fanazavàna teny malagasy  11  [1.1] Fiampangana olona amin-javatra tsy nataony, endrikendrika tsy marina: Tokony hofadinany endrikendrika, ny tomboka befahatany fa manohitra ny fitiavanamana
Fanazavàna teny frantsay  12  [1.3] accusations fausses
Sampanteny 
13  Matoantenin' ny iharana :
14  Anarana :
Tovy hevitra  15  tombotomboka
Kamban-teny 

Teny iditra (3/8)20  tomboka
Sokajin-teny  21  anarana
Fanazavàna teny malagasy  22  [1.1] Fametahana kase amin' ny taratasy, fametahana marika amin-javatra: Tombo-kase ~ tombo-kavatsa
Fanazavàna teny frantsay  23  [1.3] apposition du cachet à une pièce officielle
Sampanteny 
24  Matoantenin' ny fameno :
25  Anarana :
Kamban-teny 

Teny iditra (4/8)29  tomboka
Sokajin-teny  30  anarana
Fanazavàna teny malagasy  31  [1.1] [Taisaka] Vary an-tanety ambolena amin' ny tavy ka jinjaina amin' ny fahavaratra
Ohatra  32  [2.508#] Ny vary tomboka dia ny vary maniry amin' ny ala notevezina.
Kamban-teny 

Teny iditra (5/8)34  tomboka
Sokajin-teny  35  anarana
Fanazavàna teny malagasy  36  [1.1] Fiandohan' asa, fanaovan-javatra voalohany, fisantarana amin' izay atao

Teny iditra (6/8)37  tomboka
Sokajin-teny  38  anarana
Fanazavàna teny malagasy  39  [1.1] Bibikely mamorivory fotsy ao anatin' ny ranon' ando maraina izay heverin' ny olona ho mahatonga vay raha voakasika na voahitsaka: Voan' ny tomboka ny tongotr' Isambito
Karazana vay mpahazo ny omby
40  [1.13] karazana aretina mpahazo ny olona sy ny biby ateraky ny basiliosin'arina
Fanazavàna teny frantsay  41  [1.3, 1.13] charbon
42  [1.3] anthrax, bubon très douloureux
43  [1.196] charbon bactéridien
Voambolana  44  Fahasalamana
45  Haibiby: fitsaboina momba ny biby
Mpanahaka  46  fanenitra, tetanosy
Kamban-teny 

Teny iditra (7/8)49  tomboka
Sokajin-teny  50  anarana
Fanazavàna teny malagasy  51  [1.78] [Bezanozano] loaka, lavaka

Teny iditra (8/8)52  tomboka
Sokajin-teny  53  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  54  [1.78] [Bezanozano] bongo: Trano bongo

Fivaditsoratra  55  atombok, kombato, tamboko, tokambo, tombako, tomboka

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21