Teny iditra (1/8) | 1 tomboka |
Sokajin-teny | 2 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.1] Fandentehana angady amin' ny tany; fanapahana (biby na ahitra) main' ny angady; famelezana amin-java-maranitra |
Fanazavàna teny frantsay |
4 [1.3] un coup de pioche donné à la terre |
Kamban-teny |
|
Teny iditra (2/8) | 9 tomboka |
Sokajin-teny | 10 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
11 [1.1] Fiampangana olona amin-javatra tsy nataony, endrikendrika tsy marina: Tokony hofadinany endrikendrika, ny tomboka befahatany fa manohitra ny fitiavanamana |
Fanazavàna teny frantsay |
12 [1.3] accusations fausses |
Sampanteny |
|
Tovy hevitra | 15 tombotomboka |
Kamban-teny |
|
Teny iditra (3/8) | 20 tomboka |
Sokajin-teny | 21 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
22 [1.1] Fametahana kase amin' ny taratasy, fametahana marika amin-javatra: Tombo-kase ~ tombo-kavatsa |
Fanazavàna teny frantsay |
23 [1.3] apposition du cachet à une pièce officielle |
Sampanteny |
|
Kamban-teny |
|
Teny iditra (4/8) | 29 tomboka |
Sokajin-teny | 30 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
31 [1.1] [Taisaka]
Vary an-tanety ambolena amin' ny tavy ka jinjaina amin' ny fahavaratra |
Ohatra |
32 [2.508#] Ny vary tomboka dia ny vary maniry amin' ny ala notevezina. |
Kamban-teny |
|
Teny iditra (5/8) | 34 tomboka |
Sokajin-teny | 35 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
36 [1.1] Fiandohan' asa, fanaovan-javatra voalohany, fisantarana amin' izay atao |
Teny iditra (6/8) | 37 tomboka |
Sokajin-teny | 38 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
39 [1.1] Bibikely mamorivory fotsy ao anatin' ny ranon' ando maraina izay heverin' ny olona ho mahatonga vay raha voakasika na voahitsaka: Voan' ny tomboka ny tongotr' Isambito Karazana vay mpahazo ny omby 40 [1.13] karazana aretina mpahazo ny olona sy ny biby ateraky ny basiliosin'arina |
Fanazavàna teny frantsay |
41 [1.3, 1.13] charbon 42 [1.3] anthrax, bubon très douloureux 43 [1.196] charbon bactéridien |
Voambolana |
44 Fahasalamana 45 Haibiby: fitsaboina momba ny biby |
Mpanahaka | 46 fanenitra, tetanosy |
Kamban-teny |
|
Teny iditra (7/8) | 49 tomboka |
Sokajin-teny | 50 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
51 [1.78] [Bezanozano]
loaka, lavaka |
Teny iditra (8/8) | 52 tomboka |
Sokajin-teny | 53 mpamaritra |
Fanazavàna teny malagasy |
54 [1.78] [Bezanozano]
bongo: Trano bongo |
Fivaditsoratra | 55 atombok, kombato, tamboko, tokambo, tombako, tomboka |
Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21 |
![]() |