|
|
|
|

Teny iditra 1  tsentsina
Sokajin-teny  2  anarana na mpamaritra
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  22 Zavatra entina hanampenana loaka na vava lavaka na vava tavoahangy, tampina: Afaka ny tsentsin-tavoahangy
23 Misy zavatra manampina: Tsentsina ny fantsona ka tsy mandeha ny rano
24 Misy zavatra misakana: Tsentsina ny lalana
25 Feno dia feno: Tsentsina ny tranonay
26 Tototra: Tsentsin' ny raharaha aho ka tsy afaka handray olona. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  27 bouché [1.13]
Mpanahaka  28  tampina
Fikambanana  29  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 12 misy ny teny hoe tsentsina

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22