|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  varavarana
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Loaka namboarina amin' ny rindrin' ny trano mba hahazoana miditra sy mivoaka ao an-trano ary koa mba hahazoan' ny trano rivotra sy hazavana. (Roa karazana ny hazo rafibaravarana, dia ny tolana sy ny lelavaravarana: ny tolana no iraiketan' ny varavarana amin' ny rindrina noloahana ary ny lelavaravarana kosa dia ilay hazo fisaka voavoatra ho azo arindrina sy vohaina mipetaka amin' ny tolana amin' ny alalan' ny savily)
4  [1.13] rafitra hazo na vy mameno ny bananoaka natao hidirana sy hivoahana
Fanazavàna teny anglisy  5  [1.7] a door or window opening
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.8, 1.13] porte
7  [1.8] fenêtre
Ohatra  8  [2.895] Dia injay novohany ny varavarana.
9  [2.445] I Zama no namoha varavarana anay.
10  [2.4] Tsy nikatona rahateo moa ny varavarana.
Voambolana  11  Toe-karena: fanorenana
Haiendriteny 
12  Tsotra :
13  Tovonana :
Kamban-teny 
Anaran-toerana 
Ohabolana  19  Ohabolana misy io teny varavarana io
Lahatsoratra  20  Randzavola: varavarana ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (2/2)21  varavarana
Sokajin-teny  22  anarana
Fanazavàna teny malagasy  23  [1.1] [Betsimisaraka] Anaran-kazandrano
Ohatra  24  [2.895] Dia injay novohany ny varavarana.
25  [2.445] I Zama no namoha varavarana anay.
26  [2.4] Tsy nikatona rahateo moa ny varavarana.
Voambolana  27  Haibiby: trondro
Haiendriteny 
28  Tsotra :
29  Tovonana :

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/05