|
|
|
|

Teny iditra1  vavahady
Fototeny  2  vava, hady
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] Rafi-bato na hazo atao fidirana ao amin' ny tanàna na sahan' olona iray
Vavan' ny hadivory nanodidina ny vohitra fahiny ka natao fidirana sy fivoahana tao. (Natao telo sosona na roa na iray monja ny vavahady, ka raha telo, ny mafy indrindra dia ny any ivelany, ary toerana roa no azo nanaovana ny vavahady, na eo andrefana kelin' ny zoro firarazana na eo amin' ny zorony atsimo andrefana tahaka ny misy ny varavaramben' ny trano).
Fanazavàna teny anglisy  5  [1.7] a gateway
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.8] portail, porte-cochère. entrée d'une ville
Ohatra  7  Alohan' ny hiaingana hivoaka ny vavahady dia milahatra isan-tsokajy ny tily. [2.356#]
Kamban-teny 
Lohateny  12  Vavahady vaovao (Andriamanantena Célestin)
Ohabolana  13  Ohabolana misy io teny vavahady io
Lahatsoratra  14  Randzavola: vavahady ao amin' ny Baiboly

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/01