|
|
|
|

Teny iditra 1  velarina
Fototeny  2 velatra
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny iharana
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Atsotra mivalampatra tsara: Velaro, retsy, ny tsihy hipetrahan' ny olona
9 Sokafana: Velaro tsara ny boky ao amin' ny takila fahatelo amby roapolo
10 Aseho hatao milamina sy milahatra tsara mba hanaitra ny mason' ny olona: Novelariny teo amoron-dalana ny entam-barony, izay nentiny avy any an-drenivohitra
11 Hazavaina: Novelariny teo ny heviny ka niaiky daholo ny olona fa marina ny nolazainy
12 Borahina, aseho tsy misy afenina: Velaro izay ao am-ponao fa aza misalasala [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  13 to be spread out, to be unrolled [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  14 qu'on déploie, qu'on étend, qu'on ouvre; qu'on découvre, qu'on manifeste, qu'on montre, qu'on explique, qu'on publie: Novelariny tsara ny hevitr' izany teny izany (Il a bien expliqué le sens de ce mot) [1.3]
15 qu'on déplie, déroule, étend [1.8]
Ohatra  16  Dia novelariny ny tsihy, dia hoy Rangahy: [2.293#20]
17  velariny mitsilany ny tanany havanana amin' izay, dia mitehaka ilay itenenany. [2.472#53]
Tovy hevitra  18 avelatra
Fikambanana  19  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny how velarina

Fivaditsoratra  20 lavareny, 21 vary lena, velarina

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22