|
|
|
|

Teny iditra1  Vetson' ny Razana
Sokajin-teny  2  anarana (lohatenin-tononkalo)
Voambolana  3  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  4  Rasamuel Maurice
Tsanganana sy sary iray takila  5  Fitanisana
Lahatsoratra  6 
1 Midona ny oran' Ankaratra,
Vaky tsipelana ny eny Anjafy.
Maitso manombana ny eny Andringitra,
Manjombonjombona Ambohimanoa;
35 Sy ny mandevina olo-malala (...)
Irony vero erý ambony fasana
Milenodenoka mora malazo.
Matsoraka mora mipika;
Rehefa midaboka dia mora lo.
5 Maizimaizina toa malahelo
Irony rahona eny an-tampon' Imanga;
Manjombonjombona ny zava-boahary
Ka tsaroana ireo havan-dasa;
Fa isika olombelona
40 Toy izany isika olombelona
Fa izany no fomban' ny tany.
Irony hazo erý an-tsisim-pasana
Ny tahony, tahon-tsaramanga.
Ny raviny soa pelapelaka.
10 Tsy fo vato fa embona,
Ka manembona ireo efa lasa:
Tsy mihinana voamanadino,
Fa misotro voamahatsiahy,
Ka velon-tsento mazàna,
45 Ny voany voamahatsiahy.
Koa tsarovy izay efa voalaza ;
Mamoiza izay manana ny maty.
Fa ity tany ity famoiza-malala:
Ny maty tsy mba miverina,
15 Fa mahatsiahy ireo efa nafoy.
Mipatrapatraka ny oram-baventy
Ka mipotrapotraka ny ranomaso,
Fa ny don' oran' Ankaratra.
Toa fingadon' Ikaky sy Ineny;
50 Na miverina aza tadio
Ary na hita aza dia nofy!
Koa mahaiza manonon-tena.
Ataovy tahaka ny hanin' omby
Ka sady minià no miraoka.
20 Ny kotrok' oran' Ankaratra,
Toa feon' ireo efa nafoy
Ka manaitra ny fo malahelo,
Izay nisaraka tamin-dranomaso.
Ny tadio mitambolina raha lohataona
55 Namoy havan-tiana ve tsy hitomany!
Fa toy ny rahona ny ranomaso,
Ka rehefa mavesatra izy mirotsaka:
Kanefa andalano ny ranomaso.
Toy ny hahazan-kitay ny alahelo
25 No fiverin' ny ambiroan' ny maty;
Fa ny kotroka mingodona ren' ny lavitra
No fitsidiny raha fahavaratra (...)
Inona no zava-mangidy?
Ka ny laingolaingom-paraky:
60 Ka ahaverezana isaka ny mandanona:
Toy ny vary an-tsompitra
Ka ahafahana tsikelikely isan' andro.
Fa raha izany no mitotohitra.
Tsy mahavanon-ko olona no farany.
30 Ary inona no zava-mafaitra?
Ka ny laingolaingon' amberivatry.
Kanefa tsy ny laingolaingom-paraky no mangidy.
Ary tsy ny laingolaingon' amberivatry no mafaitra,
Fa ny mamoy havan-tiana
65 Fa maharatsy ny fahoriana.
Koa sikino ny saina, onony ny alahelo
Fa ny ranomaso tsy mahatana aina,
Ny singambolo tsy mahafehy faty,
Ny vola tsy mahavidy aina (...)

Nohavaozina tamin' ny 2023/04/02