|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  razana
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] ny ray aman-dreny niaviana fahagola: Tany nitsembohan' ny razana itony ka tsy havelako ho lava volo
ny faty: Mandritra ny telo na efatra andro ijanonan' ny razana ao an-tanàna, indrindra amin' ny alina, dia manjaka ny tabataba, ny osika, ny dihy, ny tsikirepoka.
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.7] an ancestor
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.3] les ancêtres, les aïeux
6  [1.54] ancêtres
7  [1.8] ancêtre
Ohatra  8  Nandrasana indroa alina sy indroa andro tao am-bohitra ny razana. [2.470]
9  Natao ny famonosan-damba, dia naiditra am-bata ny razana. [2.472]
10  Izany no nahamasina ny razana, dia nahamasina an-dRabodonandrianampoinimerina [2.48]
Voambolana  11  Fifandraisana: fianakaviana
Haiendriteny 
12  Tsotra :
13  Tovonana :
Sampanteny 
14  Anarana :
15  Tambinteny :
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Lohateny  56  Antson' ny Razana (Rapatsalahy Paul)
57  Fomban-dRazana Antemoro (Rombaka)
58  Fomban-dRazana Tsimihety (Tongasolo Patrice)
59  Ny Fitenin-drazana (Rasamuel Maurice)
60  Ny harivolana na lahateny nentin-drazana : Ain' ny fiarahamonina malagasy-masikoro (Razafiarivony Michel)
61  Tantaran-drazana hitadidiana ny fihavanana (Rainandriamampandry-Rabezandrina)
Ohabolana  62  Ohabolana misy io teny razana io
Lahatsoratra  63  Randzavola: razana ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (2/2)64  razaña
Sokajin-teny  65  anarana
Fanazavàna teny malagasy  66  [1.78] [Tambahoaka] zaran' antsy, ets.

Fivaditsoratra  67  nazara, razaña, razana, zarana

Nohavaozina tamin' ny 2024/08/15