|
|
|
|

Teny iditra 1  volena
Fototeny  2 voly
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny iharana
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Enti-milaza ny tany asiana voly: Voleo tsaramaso ity tany ity, ary itsy kosa voleo katsaka. (Tsara hotsahivina fa ny "ambolena" dia enti-milaza ny zavamaniry, ny masomboly mihitsy, fa ny "volena" kosa enti-milaza ny tany na toerana asiana azy: Amboleo atsy avara-trano ity taho-mangahazo ity -- Voleo mangahazo atsy avaratrano) [1.1]
Voambolana  9  Toe-karena: fambolena
Fikambanana  10  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny hoe volena

Fivaditsoratra  11 levona, 12 velona, volena

Nohavaozina tamin' ny 2026/02/04