|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  voly
Sokajin-teny  2  anarana
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Anarana :
Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  13 Famafazana voan-javamaniry na fanatsatohana tahon-lavamaniry amin' ny tany mba haniry: Anisan' ny mora hatao ny voly mangahazo
14 Ireo zavamaniry afafy na atsatoka: Tandremo sao dia voahitsakao ireto volin' olona ireto [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  15 plantation [1.3, 1.13]
16 ce qu'on sème (comme les haricots, les pistaches), ce qu'on plante (comme le manioc, les patates, les arbres) [1.3]
17 culture [1.13]
18 plantation quelconque [1.5]
19 (général). Tout ce qu'on sème ou qu'on plante ; tout ce qu'on cultive. On distingue en droit foncier malgache, deux types de culture : voly avotra : Plantations pérennes, comme les arbres fruitiers, les cultures arbustives : caféier, etc., les reboisements. La propriété de ces derniers sols était inamovible, alors que celle des voly avotra était conditionnée par la culture. Dès qu'elles devenaient en friche, elles étaient susceptibles d'être redistribuées à la collectivité [1.196]
Ohatra  20  Mandevona ny vary sy ny voly. [2.69#282]
21  Nampandroso tsara ny voly vary izy. [2.508#315]
22  voly vary sy fiompiana omby no foto-pivelomany. [2.356#15]
23  Mitsiry sy mamelana kosa ny ahitra sy ny voly an-tsaha. [2.470#15]
Voambolana  24  Toe-karena: fambolena
Fikambanana  25  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 14 misy ny teny hoe voly
Ohabolana  26  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2) 27  voly
Sokajin-teny  28  mpamaritra
Sampanteny 
Anarana :
Fanazavàna teny malagasy  30 Dontodonto tsy mahare raha tohinina; ankonankona noho ny hasasarana mafy na noho ny fiforetana ela tsy mihetsika; ngoly: Voly ny tongotro izany [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  31 engourdi, qui ressent des picotements, les effets de la fatigue, ennuyé de ne rien faire: Voly ny tongotro (Mon pied est engourdi) [1.3]
Fikambanana  32  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 4 misy ny teny hoe voly

Fivaditsoratra  33 lovy, voly

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21