Teny iditra vononina (vonona)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Atao vonona, omanina, amboarina mialoha: Vonony ny vatsy fa hanainga isika rahampitso maraina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be made ready, to be made available [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on prépare, qu'on rend disponible [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : vononina, vononiko, vononinao, vononiny, vononintsika, vononinay, vononinareo, vononin', vononin-, vononim-, vononi-
Ny lasa : novononina, novononiko, novononinao, novononiny, novononintsika, novononinay, novononinareo, novononin', novononin-, novononim-, novononi-
Ny hoavy : hovononina, hovononiko, hovononinao, hovononiny, hovononintsika, hovononinay, hovononinareo, hovononin', hovononin-, hovononim-, hovononi-
Filaza mandidy : vonony

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20