<-
->

Oha / Oh 9:1 Wisdom hath builded her house, she hath hewn out her seven pillars: Ny fahendrena efa nanao ny tranony; Efa nipaika ny andriny fito izy; Ny fahendrena efa nanorina ny tranony, efa nipaika ny andriny fito, La Sagesse a bâti sa maison, elle a taillé ses sept colonnes,
Oha / Oh 9:2 She hath killed her beasts; she hath mingled her wine; she hath also furnished her table. Efa namono ny bibiny sy nangaroharo ny divainy izy Ary efa namelatra ny latabany koa; efa namono ny bibiny, nampifangaro ny divainy, ary efa nanamboatra ny latabany. elle a abattu ses bêtes, préparé son vin, elle a aussi dressé sa table.
Oha / Oh 9:3 She hath sent forth her maidens: she crieth upon the highest places of the city, Ary efa naniraka ny ankizivaviny izy; Miantso eny an-tampon' ny fitoerana avo any an-tanàna izy ka manao hoe: Naniraka ny ankizivaviny izy, dia miantso eo an-tampon' ny havoan' ny tanana: Elle a dépêché ses servantes et proclamé sur les buttes, en haut de la cité :
Oha / Oh 9:4 Whoso is simple, let him turn in hither: as for him that wanteth understanding, she saith to him, Izay kely saina, dia aoka izy hankatý; Ary amin' izany tsy ampy saina dia hoy izy: Aoka hiditra aty izay kely saina! Ary hoy izy amin' izay tsy manan-tsaina: " Qui est simple ? Qu' il passe par ici! " A l' homme insensé elle dit :
Oha / Oh 9:5 Come, eat of my bread, and drink of the wine which I have mingled. Avia, hano ny mofoko, Ary sotroy ny divay voaharoharoko. Avia, hano ny mofoko, ary sotroy ny divay nampifangaroiko. " Venez, mangez de mon pain, buvez du vin que j' ai préparé!
Oha / Oh 9:6 Forsake the foolish, and live; and go in the way of understanding. Ilaozy ny kely saina, dia ho velona ianao, Ary mizora amin' ny lalan' ny fahalalana. Ilaozy ny tsy fahalalana, dia ho velona hianareo; ary mizora amin' ny lalan' ny fahazavan-tsaina. Quittez la niaiserie et vous vivrez, marchez droit dans la voie de l' intelligence. "
Oha / Oh 9:7 He that reproveth a scorner getteth to himself shame: and he that rebuketh a wicked man getteth himself a blot. Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka; Ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny. Raby no azon' izay mananatra ny mpananihany, ary ala-baraka no hitan' izay mandevilevy ny ratsy fanahy. Qui corrige un railleur s' attire le mépris, qui reprend un méchant le déshonneur.
Oha / Oh 9:8 Reprove not a scorner, lest he hate thee: rebuke a wise man, and he will love thee. Aza mananatra ny mpaniratsira ianao, fandrao halany; Ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao. Aza mananatra ny mpananihany fandrao dia halany hianao; fa ny hendry no anaro, dia ho tiany hianao. Ne reprends pas le railleur, il te haïrait, reprends le sage, il t' aimera.
Oha / Oh 9:9 Give instruction to a wise man, and he will be yet wiser: teach a just man, and he will increase in learning. Toroy ny hendry, dia hihahendry izy; Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy. Omeo hevitra ny hendry, hihahendry kokoa; toroy saina ny marina, hitombo fahalalana. Donne au sage : il deviendra plus sage encore; instruis le juste, il accroîtra son acquis.
Oha / Oh 9:10 The fear of the Lord is the beginning of wisdom: and the knowledge of the holy is understanding. Ny fahatahorana an' i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina. Ny fahatahorana an' ny Tompo no fiandohan' ny fahendrena; ary ny fahazavan-tsaina no fahalalana an' ilay Masina. Principe de la sagesse : la crainte de Yahvé! la science des saints, voilà l' intelligence.
Oha / Oh 9:11 For by me thy days shall be multiplied, and the years of thy life shall be increased. Fa izaho no hampitomboana ny andronao Sy hanamaroana ny taona hiainanao. Fa izaho no hihamaroan' ny andronao, sy hitomboan' ny taona iainanao. Car par moi tes jours se multiplient et pour toi s' accroissent les années de vie.
Oha / Oh 9:12 If thou be wise, thou shalt be wise for thyself: but if thou scornest, thou alone shalt bear it. Raha hendry ianao, dia hendry ho an' ny tenanao ihany; Fa raha maniratsira kosa ianao, dia ianao ihany no hiharan' izany. Raha hendry hianao, dia soa ho anao ny hendry; fa raha mpamazivazy kosa, hianao ihany no hivesatra ny sazin' izany. Si tu es sage, tu l' es pour toi-même, si tu es railleur, toi seul en porteras la peine.
Oha / Oh 9:13 A foolish woman is clamorous: she is simple, and knoweth nothing. Ny fahadalana dia toy ny vehivavy vavàna; Kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona. Ny fahadalana dia vehivavy vavana, donto saina, ary tsy mahalala na inona na inona. Dame Folie est impulsive, niaise et ne connaissant rien!
Oha / Oh 9:14 For she sitteth at the door of her house, on a seat in the high places of the city, Fa mipetraka eo am-baravaran' ny tranony izy, Ary amin' ny seza eny amin' ny fitoerana avo eo an-tanàna, Mipetraka eo am-baravaran' ny tranony izy, mitaingin-tseza eo an-tampon' ny havoan' ny tanana, Elle s' assied à la porte de sa maison, sur un trône, en haut de la cité,
Oha / Oh 9:15 To call passengers who go right on their ways: Mba hiantso ny mpandalo Izay mizotra amin' ny alehany, ka manao hoe: mba hitsinjo ny mpandalo, izay mizotra amin' ny lalan-kalehany. pour appeler les passants, ceux qui vont droit leur chemin.
Oha / Oh 9:16 Whoso is simple, let him turn in hither: and as for him that wanteth understanding, she saith to him, Aoka hivily atý izay kely saina; Ary amin' izay tsy ampy saina dia hoy izy: Aoka hiditra aty, izay kely saina! Ary hoy izy amin' izay tsy manan-tsaina: " Qui est simple ? Qu' il fasse un détour par ici! " A l' homme insensé elle dit :
Oha / Oh 9:17 Stolen waters are sweet, and bread eaten in secret is pleasant. Mamy ny rano angalarina, Ary fy ny mofo hanina amin' ny fiafenana, Mamy ny rano angalarina, ary fy ny mofo hanina am-piafenana! " Les eaux dérobées sont douces, et savoureux le pain du mystère! "
Oha / Oh 9:18 But he knoweth not that the dead are there; and that her guests are in the depths of hell. Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, Ary any amin' ny halalin' ny fiainan-tsi-hita ny olona nasainy. Tsy fantany fa misy ambiroa ao, ary efa any amin' ny fanambanin' ny seoly sahady ny nasainy. Or il ignore qu' il y a là des Ombres et que ses invités sont aux vallées du shéol.

<-
->