<-
->

Fah 2:1 Tamin' ny faniasiavan' ny sainy no nifampilazan' izy ireo hoe: Sady fohy no be fahoriana ny andro iainantsika; ary rahefa tonga ny fara andron' ny olombelona, tsy misy fanafodiny, sady tsy misy fantatra izay olona mahafaka amin' ny fonenan' ny maty. Car ils disent entre eux, dans leurs faux calculs "Courte et triste est notre vie; il n' y a pas de remède lors de la fin de l' homme et on ne connaît personne qui soit revenu de l' Hadès.
Fah 2:2 Sendrasendra no nahatonga antsika ho misy; ka aorian' ity fiainana ity ho tonga toy ny mbola tsy nisy akory isika, ny fofon' aina ao amin' ny vavorontsika dia setroka, ary kilalaon' afo mitselatra amin' ny fitepotepon' ny fontsika ihany koa ny hevitra. Nous sommes nés du hasard, après quoi nous serons comme si nous n' avions pas existé. C' est une fumée que le souffle de nos narines, et la pensée, une étincelle qui jaillit au battement de notre coeur;
Fah 2:3 Ka vao maty io dia hirara-ko levona ny vatantsika; dia hisava toy ny rivotra foana ny fanahy. qu' elle s'éteigne, le corps s' en ira en cendre et l' esprit se dispersera comme l' air inconsistant.
Fah 2:4 Hivarina tsikelikely amin' ny fanadinoana ny anarantsika, ary tsy misy olona hahatsiaro ny asantsika. Ny andro iainantsika handalo toy ny dian' ny rahona, hisava toy ny zavona roahin' ny tsirim-pahazavan' ny masoandro, sy hampifintinin' ny hafanana hanjary ranonorana. Avec le temps, notre nom tombera dans l' oubli, nul ne se souviendra de nos oeuvres; notre vie passera comme les traces d' un nuage, elle se dissipera comme un brouillard que chassent les rayons du soleil et qu' abat sa chaleur.
Fah 2:5 Fihelenan' ny aloka ny andro iainantsika; tsy misy fiverenany ny fahataperany, voapetaka ny tombo-kase, dia tsy misy mampody intsony. Oui, nos jours sont le passage d' une ombre, notre fin est sans retour, le sceau est apposé et nul ne revient.
Fah 2:6 Koa avia, aoka isika hiarana amin' ny soa ankehitriny; miarana amin' ny zava-boahary araka ny firehitry ny fahatanorantsika, Venez donc et jouissons des biens présents, usons des créatures avec l' ardeur de la jeunesse.
Fah 2:7 aoka isika himamo amin' ny divay kanto sy amin' ny zava-manitra, ary aza avela ho lany foana ny vonin' ny lohataona. Enivrons-nous de vins de prix et de parfums, ne laissons point passer la fleur du printemps,
Fah 2:8 Manaova fehiloha bokom-bonin-draozy, dieny mbola tsy malazo izy. couronnons-nous de boutons de roses, avant qu' ils ne se fanent,
Fah 2:9 Aoka tsy hisy amintsika izao, ho diso ny filibantsika, asiontsika hatraiza hatraiza ny marika fampahatsiarovana ny firavoravoantsika; fa izany no mba anjarantsika, izany no mba efa tapaka ho antsika. qu' aucune prairie ne soit exclue de notre orgie, laissons partout des signes de notre liesse, car telle est notre part, tel est notre lot!
Fah 2:10 Ampahoriantsika ny marina izay mahantra, aza tsitsina ny mpitondratena, aza hajaina akory izay volofotsin' ny antitra ela niainana. Opprimons le juste qui est pauvre, n'épargnons pas la veuve, soyons sans égards pour les cheveux blancs chargés d' années du vieillards.
Fah 2:11 Aoka ny herintsika no ho lalàn' ny fitsarantsika; fa tsy hatao ho vanon-ko inona akory izay osa foana. Que notre force soit la loi de la justice, car ce qui est faible s' avère inutile.
Fah 2:12 Koa ifanakano ny marina, satria manahirana antsika izy, manohitra ny fomba fanaontsika, maniny antsika amin' ny fandikantsika ny lalàna, ary manome henatra antsika ho tsy mifanara-toetra amin' izay nampianarana antsika. Tendons des pièges au juste, puisqu' il nous gêne et qu' il s' oppose à notre conduite, nous reproche nos fautes contre la Loi et nous accuse de fautes contre notre éducation.
Fah 2:13 Mihambo ho manana ny fahalalana an' Andriamanitra izy, ary hataony hoe zanak' Andriamanitra ny anarany. Il se flatte d' avoir la connaissance de Dieu et se nomme enfant du Seigneur.
Fah 2:14 Faniniana ny hevitsika izy ho antsika ary tsy zakantsika na ny mahita azy fotsiny aza; Il est devenu un blâme pour nos pensées, sa vue même nous est à charge;
Fah 2:15 satria tsy mba tahaka ny an' ny olon-kafa ny toe-piainany ary ny lalany hafahafa. car son genre de vie ne ressemble pas aux autres, et ses sentiers sont tout différents.
Fah 2:16 Araka ny heviny isika dia faikan-java-maloto foana, ny fomba fiainantsika fadìny toy ny loto: ny anjaran' ny marina, toriny ho tsara miafara; ary mirehaka ho manana an' Andriamanitra ho rainy izy. Il nous tient pour chose frelatée et s'écarte de nos chemins comme d' impuretés. Il proclame heureux le sort final des justes et il se vante d' avoir Dieu pour père.
Fah 2:17 Aoka hozahantsika raha marina ny filazany, ary hodinihintsika izay hahazo azy, eo am-pialana amin' ity fiainana ity. Voyons si ses dires sont vrais, expérimentons ce qu' il en sera de sa fin.
Fah 2:18 Satria raha zanak' Andriamanitra ny marina, dia arovan' Andriamanitra izy, ary ho afahany amin' ny tànan' ny fahavalony. Car si le juste est fils de Dieu, Il l' assistera et le délivrera des mains de ses adversaires.
Fah 2:19 Ka sedrao amin' ny latsa amam-pijaliana izy hoe: Hahitana izay fandeferany, hitsapana izay faharetany! Eprouvons-le par l' outrage et la torture afin de connaître sa douceur et de mettre à l'épreuve sa résignation.
Fah 2:20 Helohy ho faty amin' ny fahafatesana mahafa-baraka izy, satria araka ny filazany dia hoahin' Andriamanitra izy. Condamnons-le à une mort honteuse, puisque, d' après ses dires, il sera visité."
Fah 2:21 Izany no hevitr' izy ireo; diso hevitra anefa izy; fa jamban' ny haratsiany. Ainsi raisonnent-ils, mais ils s'égarent, car leur malice les aveugle.
Fah 2:22 Tsy mahalala ny hevi-miafin' Andriamanitra izy, tsy manantena valisoa noho ny fahamasinana; ary tsy mino fa hisy valisoa ho an' ny fanahy madio. Ils ignorent les secrets de Dieu, ils n' espèrent pas de rémunération pour la sainteté, ils ne croient pas à la récompense des âmes pures.
Fah 2:23 Satria noharin' Andriamanitra ho tsy mety maty ny olombelona, ary nataony mitovy tarehy amin' ny tenany: Oui, Dieu a créé l' homme pour l' incorruptibilité, il en a fait une image de sa propre nature;
Fah 2:24 Fa ny fialonan' ny demony no nidiran' ny fahafatesana amin' izao tontolo izao: c' est par l' envie du diable que la mort est entrée dans le monde ils en font l' expérience, ceux qui lui appartiennent!
Fah 2:25 dia hanandrana izany, ry zareo izay azy.

<-
->