<-
->

Bar 4:1 Ny fahendrena dia ilay bokin' ny didin' Andriamanitra sy ny lalàna maharitra mandrakizay. Izay rehetra mifikitra aminy ho tonga amin' ny fiainana, fa izay mandao azy kosa ho any amin' ny fahafatesana. Elle est le Livre des préceptes de Dieu, la Loi qui subsiste éternellement quiconque la garde vivra, quiconque l' abandonne mourra.
Bar 4:2 Miverena, ry Jakoba, sy mifikira aminy, ary mizora amin' ny fahazavany mamirapiratra. Reviens, Jacob, saisis-la, marche vers la splendeur, à sa lumière
Bar 4:3 Aza omena ho an' ny hafa ny voninahitrao, na ho an' ny firenen-kafa ny tombon-tsoanao. ne cède pas à autrui ta gloire, à un peuple étranger tes privilèges.
Bar 4:4 Sambatra isika, ry Israely ô, fa nanambarana izay sitrak' Andriamanitra! Heureux sommes-nous, Israël ce qui plaît à Dieu nous fut révélé!
Bar 4:5 Matokia, ry oloko, fahatsiarovana an' Israely ô! Courage, mon peuple, mémorial d' Israël!
Bar 4:6 Ny nivarotana anareo tamin' ny firenena, tsy mba ny haringana; fa hianareo nihantsy ny fahatezeran' Andriamanitra, no nanolorana anareo ho an-tànan' ny mpampahory. Vous avez été vendus aux nations, mais non pour l' anéantissement. Ayant excité la colère de Dieu, vous avez été livrés à vos ennemis.
Bar 4:7 Satria nampahatezitra an' Ilay nanao anareo hianareo, tamin' ny nanoloranareo sorona tamin' ny demony, fa tsy tamin' Andriamanitra. Car vous aviez irrité votre Créateur en sacrifiant à des démons et non à Dieu.
Bar 4:8 Nanadino an' Ilay namelona anareo hianareo, dia Andriamanitra mandrakizay, ary nampalahelo an' ilay nitaiza anareo, dia Jerosalema; Vous aviez oublié le Dieu éternel, votre nourricier! Vous avez aussi attristé Jérusalem, votre nourricière;
Bar 4:9 Fa hitany miantefa aminareo ny fahatezeran' Andriamanitra, ka nilaza izy hoe: Mihainoa, hianareo mifanolo-body rindrina amin' i Siona, fa nanirahan' Andriamanitra fisaonana lehibe aho. elle a vu fondre sur vous la colère venue de Dieu et elle a dit Ecoutez, voisines de Sion Dieu m' a envoyé grande tristesse.
Bar 4:10 Hitako ny fahababoan' ny zanako lahy aman-janako vavy; sy izay nampiharin' ilay mandrakizay tamin' izy ireo. J' ai vu la captivité de mes fils et filles que l' Eternel leur amena.
Bar 4:11 Tamin-kafaliana no nitaizako azy ireo, fa tamin-dranomaso amam-pisaonana kosa no namelako azy handeha. Je les avais nourris avec joie; avec pleurs et tristesse je les vis partir.
Bar 4:12 Aza dia misy mifaly e, saingy mahita ahy mpitondratena sy nilaozan' ny maro be! Efa lao aho, noho ny fahotan' ireo zanako, satria izy ireo nivily nandao ny lalàn' Andriamanitra; Que nul ne se réjouisse sur moi, veuve et délaissée d' un grand nombre; je subis la solitude pour les péchés de mes enfants, car ils se sont détournés de la Loi de Dieu,
Bar 4:13 tsy nasiany raharaha ny didiny, tsy nandeha tamin' ny làlan' ny didin' Andriamanitra, ary tsy nanaraka ny làlan' ny fahaiza-manaiky, araka ny fahamarinana. ils n' ont point connu ses préceptes, ni marché par les voies de ses préceptes, ni suivi les sentiers de discipline selon sa justice.
Bar 4:14 Aoka ho avy ny mifanolo-body rindrina amin' i Siona! Tsarovy ny fahababoan' ny zanako lahy aman-janako vavy, izay nampiharin' ny Mandrakizay tamin' izy ireo. Qu' elles arrivent, les voisines de Sion! Rappelez-vous la captivité de mes fils et filles que l' Eternel leur amena!
Bar 4:15 Fa nasainy tonga hamely azy ireo ny firenena avy lavitra, firenena masiaka, manao teny barbariana, Car il amena sur eux une nation lointaine, une nation effrontée, à la langue barbare, sans respect pour le vieillard, sans pitié pour le petit enfant;
Bar 4:16 tsy mahalala manaja ny anti-panahy, na mangoraka ny ankizy madinika, fa nifaoka ny malalan' ny mpitondratena, sady namela ahy ho irery voasaraka tamin' ny zanako vavy. on emmena les fils chéris de la veuve, on la laissa toute seule, privée de ses filles.
Bar 4:17 Ary hataoko ahoana moa ny famonjy anareo? Moi, comment pourrais-je vous aider?
Bar 4:18 Ilay nahatonga izany loza izany taminareo, dia izy ihany no hanafaka anareo amin' ny tanan' ny fahavalonareo. Celui qui vous amena ces malheurs, c' est lui qui vous arrachera aux mains de vos ennemis.
Bar 4:19 Mandehana, anaka, mandehana, fa izaho tafajanona irery! Allez, mes enfants, allez votre chemin! Moi, je reste délaissée, solitaire;
Bar 4:20 Nesoriko ny akanjo fitondra amin' ny andro firavoravoana, fa ny lasakan' ny fifonako no nitafiako; hitaraina amin' ny Avo Indrindra aho, mandritra ny andro iainako. j' ai quitté la robe de paix et revêtu le sac de ma supplication; je veux crier vers l' Eternel tant que je vivrai.
Bar 4:21 Matokia, anaka miantsoa ny Tompo, ary izy hanafaka anareo amin' ny fahefana sy amin' ny tanan' ny fahavalonareo. Courage, mes enfants, criez vers Dieu il vous arrachera à la violence et à la main de vos ennemis;
Bar 4:22 Ilay Mandrakizay no iandrasako ny famonjena anareo, ka tonga amiko ny hafaliana avy amin' ilay Masina, noho ny famindram-po hataon' ilay Mandrakizay, Mpamonjy anareo, ho tonga aminareo. car j' attends de l' Eternel votre salut, une joie m' est venue du Saint, pour la miséricorde qui bientôt vous arrivera de l' Eternel, votre Sauveur.
Bar 4:23 Izaho namela anareo handeha tamin-dranomaso amam-pisaonana; fa Andriamanitra kosa hamerina anareo amiko, amin-kafaliana sy amim-piravoravoana ho mandrakizay. Car avec tristesse et pleurs je vous ai vus partir, mais Dieu vous rendra à moi pour toujours dans la joie et la jubilation.
Bar 4:24 Toy ny nahitan' ireo mifanolo-body rindrina amin' i Siona ny fahababoanareo no hahitany faingana ny famonjena anareo, amin' Andriamanitra, izay ho tonga aminareo amim-boninahitra lehibe, sy amin-daza mamirapiratra ho an' ilay Mandrakizay. Comme les voisines de Sion voient maintenant votre captivité, ainsi verront-elles bientôt votre salut de par Dieu, qui vous surviendra avec grande gloire et éclat de l' Eternel.
Bar 4:25 Anaka, lefero amim-paharetana ny fahatezeran' Andriamanitra tonga aminareo. Ny fahavalonareo nanenjika anareo; fa vetivety dia hianareo kosa indray no hahita ny faharavany, sy hanitsaka ny hatony, amin' ny tongotrareo. Mes enfants, supportez la colère qui de Dieu vous est venue. Ton ennemi t' a persécuté, mais bientôt tu verras sa ruine et sur sa nuque tu poseras ton pied.
Bar 4:26 Nandia làlana maraorao ny zanako malemilemy indrindra; notsoahana toy ny andian' ondry norobain' ny fahavalo izy ireo. Mes enfants choyés ont marché par de rudes chemins, enlevés, tel un troupeau razzié par l' ennemi.
Bar 4:27 Matokia, anaka, ary miantsoa ny Tompo; fa hahatsiaro anareo Ilay nahatonga izany loza rehetra izany taminareo. Courage, mes enfants, criez vers Dieu Celui qui vous amena cela se souviendra de vous.
Bar 4:28 Fa toy ny niheveranareo ny hanalavitra an' Andriamanitra no hikatsahanareo azy amin-kafanam-po impolo heny rahefa tafaverina aminy hianareo. Comme votre pensée fut d'égarement loin de Dieu, revenus à lui, recherchez-le dix fois plus fort.
Bar 4:29 Satria ilay nahatonga loza taminareo, dia hahatonga hafaliana mandrakizay aminareo kosa amin' ny famonjeny anareo. Car Celui qui vous amena ces malheurs vous ramènera, en vous sauvant, la joie éternelle.
Bar 4:30 Matokia, ry Jerosalema, fa hampionona anao ilay nanome anao ny anarany. Courage, Jérusalem il te consolera, Celui qui t' a donné un nom.
Bar 4:31 Loza ho an' izay manisy ratsy anao, sy nifaly tamin' ny fahalavoanao! Malheur à ceux qui t' ont maltraitée et se sont réjouis de ta chute!
Bar 4:32 Idiran-doza izay tanàna naha-andevo ny zanakao! Idiran-doza izay nandray azy ireo ho babo! Malheur aux cités dont furent esclaves tes enfants, malheur à celle qui reçut tes fils!
Bar 4:33 Toy ny nifaliany tamin' ny faharavanao, sy nihobiany tamin' ny fahalavoanao, no halahelovany amin' ny faharinganany. Car de même qu' elle se réjouit de ta chute et fut heureuse de ta ruine, ainsi sera-t-elle affligée pour sa propre dévastation.
Bar 4:34 Hesoriko aminy ny hafaliany noho ny hamaroan' ny mponina ao aminy, dia hiova ho fisaonana ny reharehany. Je lui ôterai son allégresse de ville bien peuplée, son insolence se changera en tristesse,
Bar 4:35 Hisy afo avy amin' ilay Mandrakizay, ho tonga aminy ho amin' ny andro lava, ary mandritra ny andro ela dia ho fonenan' ny fanahy ratsy izy. un feu lui surviendra de l' Eternel pour de longs jours, elle sera la demeure de démons pour longtemps.
Bar 4:36 Mijere miantsinanana, ry Jerosalema, ka jereo ity hafaliana tonga aminao avy amin' Andriamanitra. Jérusalem, regarde vers l' Orient, vois la joie qui te vient de Dieu.
Bar 4:37 Fa indreny tamy ireo zanakao hitanao nandeha taloha, tonga izy, tafavory hatrany atsinananaka hatrany andrefana amin' ny feon' Ilay Masina, miravoravo amin' ny voninahitr' Andriamanitra. Voici : ils reviennent, les fils que tu vis partir, ils reviennent rassemblés du levant au couchant, sur l' ordre du Saint, jubilants de la gloire de Dieu.

<-
->