<-
->

Hos / Os 8:1 Set the trumpet to thy mouth. He shall come as an eagle against the house of the Lord, because they have transgressed my covenant, and trespassed against my law. Ataovy eo am-bavanao ny anjomara! Fa hisy toy ny voromahery hipaoka ny tranon' i Jehovah, satria efa nivadika ny fanekeko sy nandika ny lalàko ireo. Ataovy am-bava ny anjomara, Fa misy, toy ny voromahery, hiantefa amin' ny tranon' ny Tompo!... Satria izy ireo nivadika ny fanekeko, sy nandika ny lalàko. Embouche la trompette! Comme un aigle, le malheur fond sur la maison de Yahvé. Car ils ont transgressé mon alliance et ont été infidèles à ma Loi.
Hos / Os 8:2 Israel shall cry unto me, My God, we know thee. Izaho dia hitarainany hoe: Andriamanitro ô, izahay Isiraely mahalala Anao. Mitaraina amiko izy hoe: Andriamanitro ô, efa nahalala anao izahay Israely. Ils ont beau me crier : " Mon Dieu, nous te connaissons, nous Israël. "
Hos / Os 8:3 Israel hath cast off the thing that is good: the enemy shall pursue him. Ataon' ny Isiraely ho zavatra maharikoriko ny soa; Ny fahavalo no hanenjika azy. Efa boboky ny soa anefa Israely; ka aoka henjehin' ny fahavalo izy! Israël a rejeté le bien, l' ennemi le poursuivra.
Hos / Os 8:4 They have set up kings, but not by me: they have made princes, and I knew it not: of their silver and their gold have they made them idols, that they may be cut off. Ireny dia nanangana mpanjaka nefa tsy avy tamiko; Nifidy mpanapaka izy, nefa tsy fantatro; Ny volafotsiny sy ny volamenany no nataony sampiny mba hamongorana azy. Fa izy ireo nanangam-panjaka, nefa tsy avy amiko; nanendry mpanapaka nefa tsy nahalala an' ireo aho; nanao sampy tamin' ny volafotsiny amam-bolamenany, mba hanalana aminy ny volafotsy amam-bolamena. Ils ont fait des rois, mais sans mon aveu, ils ont fait des chefs, mais à mon insu. De leur argent et de leur or ils se sont fait des idoles, afin qu' elles soient supprimées.
Hos / Os 8:5 Thy calf, O Samaria, hath cast thee off; mine anger is kindled against them: how long will it be ere they attain to innocency? Maharikoriko ilay ombilahy kelinao, ry Samaria; Mirehitra aminareo ny fahatezerako; Mandra-pahoviana no tsy ho tohanareo ny fahadiovana? Naharikoriko ahy ity zanak' ombinao, ry Samaria; nirehitra tamin' izy ireo ny fahatezerako. Mandra-pahoviana no tsy hahazoana mandio azy ireo? Ton veau, Samarie, je le repousse! - ma colère s' est enflammée contre eux. Jusques à quand ne pourront-ils recouvrer l' innocence ? -
Hos / Os 8:6 For from Israel was it also: the workman made it; therefore it is not God: but the calf of Samaria shall be broken in pieces. Fa avy tamin' ny Isiraely koa izany; Ny mpiasa no nanao azy, ka dia tsy Andriamanitra izy, fa ho torotoro ilay ombilahy kelin' i Samaria. Fa avy amin' Israely koa izy; mpanao taozavatra no nanamboatra azy, ka tsy Andriamanitra izy io; fa hotorotoroina ny zanak' ombin' i Samaria! Car il vient d' Israël, c' est un artisan qui l' a fabriqué, lui, il n' est pas Dieu, lui. Oui, le veau de Samarie tombera en miettes.
Hos / Os 8:7 For they have sown the wind, and they shall reap the whirlwind: it hath no stalk; the bud shall yield no meal: if so be it yield, the strangers shall swallow it up. Fa rivotra no nafafiny, ary tadio no hojinjany; Tsy misy vary mitsangana, ny salohiny tsy hisy ventiny; Ary raha tàhiny hisy aza, dia ny olona hafa firenena no hihinana azy. Namafy rivotra izy ireo, ka hijinja tafio-drivotra. Tsy hisy salohim-bary ho azy, fa hisy vary tsy vanon-ko lafarina; ary raha vanon-ko lafarina aza, ny hafa firenena no hihinana azy. Puisqu' ils sèment le vent, ils moissonneront la tempête : tige qui n' a pas d'épi, qui ne donne pas de farine; et si elle en donne, des étrangers l' engloutiront.
Hos / Os 8:8 Israel is swallowed up: now shall they be among the Gentiles as a vessel wherein is no pleasure. Voatelina Isiraely; Ankehitriny dia efa tonga tahaka ny fanaka tsy mahafinaritra izy any amin' ny jentilisa. Voatelina Israely: izy ireo ankehitriny, eny amin' ny firenena nanjary toy ny zavatra tsinontsinona; Israël est englouti. Maintenant ils sont parmi les nations comme un objet dont personne ne veut;
Hos / Os 8:9 For they are gone up to Assyria, a wild ass alone by himself: Ephraim hath hired lovers. Fa niakatra ho any Asyria izy Toy ny borikidia mandeha irery; Efraima dia nanangy ireo lehilahiny satria ny tenan' izy ihany no niakatra ho any Asora. Ny ampondra dia monina an-takona; Efraima kosa nanangy lahy ho azy. car ils sont montés vers Assur, onagre qui vit à l'écart; Éphraïm s' est acheté des amants.
Hos / Os 8:10 Yea, though they have hired among the nations, now will I gather them, and they shall sorrow a little for the burden of the king of princes. Ary na dia nanangy tany amin' ny jentilisa aza izy, dia hovoriko ankehitriny; Ary hihavitsy izy noho ny entan' ny mpanjakan' ireo mpanapaka. Na manao fanatitra amin' ny firenena aza izy, dia hovoriko hamely azy ireny; ka hangozohozo izy, amin' ny fotoana fohifohy, tsindrian' ny entan' ny mpanjakan' ireo mpanapaka. Qu' il s' en achète parmi les nations, maintenant je vais les rassembler et ils souffriront bientôt sous le fardeau du roi des princes.
Hos / Os 8:11 Because Ephraim hath made many altars to sin, altars shall be unto him to sin. Fa Efraima nanao alitara maro hanotana, eny, efa nahazo alitara hanotana izy. Nampitombo ny otely Efraima tamin' ny nanotany, ary ireo otely ireo nahalavo azy tamin' ny ota. Quand Éphraïm a multiplié les autels, ces autels ne lui ont servi qu'à pécher.
Hos / Os 8:12 I have written to him the great things of my law, but they were counted as a strange thing. Na dia soratako ho azy ny teny betsaka amin' ny lalàko aza, dia ataony ho toy ny zavatra tsy izy izany. Na hanoratra lohateny arivo ho azy amin' ny lalàko aza aho, dia ho zavatra tsy mikasika azy no fijeriny an' izany. Que pour lui j'écrive les mille préceptes de ma loi, on les tient pour une chose étrangère.
Hos / Os 8:13 They sacrifice flesh for the sacrifices of mine offerings, and eat it; but the Lord accepteth them not; now will he remember their iniquity, and visit their sins: they shall return to Egypt. Mamono zavatra hatao fanatitra ho Ahy izy, eny, mihinana ny henan' izany, nefa tsy sitrak' i Jehovah izany; Ankehitriny dia hotsarovany ny fahotany, ary hovaliany ny helony; Eny, izy ireny dia hiverina ho any Egypta. Ny sorona aterin' izy ireo ho ahy, dia ny henan' ny zavatra vonoiny sy haniny; tsy ankasitrahan' ny Tompo izany. Hahatsiaro ny helok' izy ireo izy ankehitriny, ka hanasazy ny fahotany: hiverina any Ejipta izy ireo. Les sacrifices qu' ils m' offrent, ils les sacrifient, ils en mangent la viande, mais Yahvé ne les agrée pas. Maintenant, il va se souvenir de leur faute et châtier leurs péchés : ils retourneront, eux, en Égypte.
Hos / Os 8:14 For Israel hath forgotten his Maker, and buildeth temples; and Judah hath multiplied fenced cities: but I will send a fire upon his cities, and it shall devour the palaces thereof. Efa nanadino ny Mpanao azy Isiraely ka nanorina trano vaventy, ary Joda nanamaro tanàna mimanda; Fa haterako afo ao an-tanànany, ka holevonin' izany ny trano vaventiny. Nanadino ny mpanao azy Israely, ka nanorina lapa; nanamaro ny tanàna mimanda Jodà. Fa handefa afo ao an-tanànany aho, ka handevona ireo rovany izany. Israël a oublié son auteur et il a bâti des palais; Juda a multiplié les villes fortes. Mais j' enverrai le feu dans ses villes, et il en dévorera les citadelles.

<-
->