<-
->

Heb 13:1 Let brotherly love continue. Aoka haharitra ny fitiavana ny rahalahy. Mahareta amin' ny fitiavana ny rahalahy. Persévérez dans la dilection fraternelle.
Heb 13:2 Be not forgetful to entertain strangers: for thereby some have entertained angels unawares. Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny; fa tamin' izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany. Ary aza manadino ny fandraisam-bahiny, fa ny sasany nanaraka izany dia efa nisy nampiantrano anjely, nefa tsy nahalala azy. N' oubliez pas l' hospitalité, car c' est grâce à elle que quelques-uns, à leur insu, hébergèrent des anges.
Heb 13:3 Remember them that are in bonds, as bound with them; and them which suffer adversity, as being yourselves also in the body. Tsarovy izay mifatotra, ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo, ary izay ampahorina, satria mbola eo amin' ny tena koa ianareo. Tsarovy izay mifatotra, aoka ho toy ny miara-mifatotra aminy hianareo; ary izay ampahorina koa, fa mbola ao anatin' ny nofo koa hianareo. Souvenez-vous des prisonniers, comme si vous étiez emprisonnés avec eux, et de ceux qui sont maltraités, comme étant vous aussi dans un corps.
Heb 13:4 Marriage is honourable in all, and the bed undefiled: but whoremongers and adulterers God will judge. Aoka hanan-kaja amin' ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin' olona dia hohelohin' Andriamanitra. Aoka hanan-kaja amin' ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrian' ny mpivady, fa hohelohin' Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin' olona. Que le mariage soit honoré de tous et le lit nuptial sans souillure. Car Dieu jugera fornicateurs et adultères.
Heb 13:5 Let your conversation be without covetousness; and be content with such things as ye have: for he hath said, I will never leave thee, nor forsake thee. Aoka tsy ho amin' ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin' izay anananareo; fa hoy Izy: "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory" (Jos. 1.5). Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin' izay anananareo, fa tenin' Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao aho, na hahafoy anao akory; Que votre conduite soit exempte d' avarice, vous contentant de ce que vous avez présentement ; car Dieu lui-même a dit : Je ne te laisserai ni ne t' abandonnerai ;
Heb 13:6 So that we may boldly say, The Lord is my helper, and I will not fear what man shall do unto me. Ka dia sahy manao hoe isika: "Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; Inona no azon' ny olona atao amiko?" (Sal 118. 6). ka sahintsika ny manao amim-pahatokiana hoe: Andriamanitra no vonjiko, ka tsy hatahotra na inona na inona aho; inona no azon' ny olona atao amiko? de sorte que nous pouvons dire avec hardiesse : Le Seigneur est mon secours ; je ne craindrai pas. Que peut me faire un homme ?
Heb 13:7 Remember them which have the rule over you, who have spoken unto you the word of God: whose faith follow, considering the end of their conversation. Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin' Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran' ny fiainany, ka araho ny finoany. Tsarovy ny mpitondra anareo, izay nitory ny tenin' Andriamanitra taminareo; diniho ny niafaran' ny fiainany, ka alao tahaka ny finoany; Souvenez-vous de vos chefs, eux qui vous ont fait entendre la parole de Dieu, et, considérant l' issue de leur carrière, imitez leur foi.
Heb 13:8 Jesus Christ the same yesterday, and to day, and for ever. Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Jeso-Kristy dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Jésus Christ est le même hier et aujourd' hui, il le sera à jamais.
Heb 13:9 Be not carried about with divers and strange doctrines. For it is a good thing that the heart be established with grace; not with meats, which have not profited them that have been occupied therein. Aza mety havilin' izay fampianarana maro hafahafa ianareo. Fa tsara raha ampiorenina amin' ny fahasoavana ny fo, fa tsy amin' ny hanina, izay tsy mahasoa ny mahavatra azy. Aza mety havilin' ny fampianarana samihafa hianareo, fa aleo mampiorina ny fo amin' ny fahasoavana toy izay amin' ny hanina izay tsy mahasoa ny miraiki-po aminy. Ne vous laissez pas égarer par des doctrines diverses et étrangères : car il est bon que le coeur soit affermi par la grâce, non par des aliments qui n' ont été d' aucun profit à ceux qui en usèrent.
Heb 13:10 We have an altar, whereof they have no right to eat which serve the tabernacle. Isika manana alitara, izay tsy ananan' ny mpanompo ny tabernakely fahefana hihinanana. Manana otely tsy azon' ny mpivavaka ao an-tranolay ihinanana isika. Nous avons un autel dont les desservants de la Tente n' ont pas le droit de se nourrir.
Heb 13:11 For the bodies of those beasts, whose blood is brought into the sanctuary by the high priest for sin, are burned without the camp. Fa rehefa nentin' ny mpisoronabe niditra ho ao amin' ny fitoerana masina ho fanatitra noho ny ota ny ran' ny biby, dia nodorana teny ivelan' ny toby ny fatiny. Satria izay biby entin' ny mpisorombe ao amin' ny fitoerana masina ny rany hatao fanatitra noho ny ota, dia dorana any ivelan' ny toby ny fatiny. Ces animaux, en effet, dont le grand prêtre porte le sang dans le sanctuaire pour l' expiation du péché, leurs corps sont brûlés en dehors du camp.
Heb 13:12 Wherefore Jesus also, that he might sanctify the people with his own blood, suffered without the gate. Ary amin' izany Jesosy koa dia niaritra teny ivelan' ny vavahady mba hahamasina ny olona amin' ny ràny. Ary toy izany koa ny nijalian' i Jeso tany ivelan' ny vavahady, mba hanamasinany ny olona amin' ny rany. C' est pourquoi Jésus lui aussi, pour sanctifier le peuple par son propre sang, a souffert hors de la porte.
Heb 13:13 Let us go forth therefore unto him without the camp, bearing his reproach. Koa aoka isika hivoaka hankeo aminy eo ivelan' ny toby, mitondra ny latsa izay nentiny. Koa mba hankanesantsika any aminy, dia aoka hivoaka any ivelan' ny toby isika, sy hitondra ny latsa nentiny. Par conséquent, pour aller à lui sortons en dehors du camp, en portant son opprobre.
Heb 13:14 For here have we no continuing city, but we seek one to come. Fa etý isika tsy manana tanàna maharitra, fa mitady ny ho avy. Fa fonena-mandalo no antsika ety an-tany, fa mitady ny ho avy isika. Car nous n' avons pas ici-bas de cité permanente, mais nous recherchons celle de l' avenir.
Heb 13:15 By him therefore let us offer the sacrifice of praise to God continually, that is, the fruit of our lips giving thanks to his name. Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin' ny alalany ho an' Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany. Koa aoka àry isika hanolotra fanati-piderana ho an' Andriamanitra amin' ny alalany mandrakariva; izany hoe, ny vokatry ny molotra mankalaza azy. Par lui, offrons à Dieu un sacrifice de louange en tout temps, c' est-à-dire le fruit de lèvres qui confessent son nom.
Heb 13:16 But to do good and to communicate forget not: for with such sacrifices God is well pleased. Fa aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak' Andriamanitra. Ary aza manadino ny fanaovan-tsoa sy ny fiantrana, fa ny fanatitra toy ireny no ankasitrahan' Andriamanitra. Quant à la bienfaisance et à la mise en commun des ressources, ne les oubliez pas, car c' est à de tels sacrifices que Dieu prend plaisir.
Heb 13:17 Obey them that have the rule over you, and submit yourselves: for they watch for your souls, as they that must give account, that they may do it with joy, and not with grief: for that is unprofitable for you. Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon' ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin' ny fifaliana, ta tsy amin' ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany. Maneke ny lehibenareo, ary ankatoavy ny teniny, fa miambina ny fanahinareo toy ny olona mbola hampamoahina izy ireo, - mba ho an-kafaliana no hanaovany an' izany, fa tsy ho amin' alahelo, fa tsy mahasoa anareo izany. Obéissez à vos chefs et soyez-leur dociles, car ils veillent sur vos âmes, comme devant en rendre compte ; afin qu' ils le fassent avec joie et non en gémissant, ce qui vous serait dommageable.
Heb 13:18 Pray for us: for we trust we have a good conscience, in all things willing to live honestly. Mivavaha ho anay; fa matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te-hitondra tena tsara amin' ny zavatra rehetra. Mivavaha ho anay, fa te-hanao tsara amin' ny zavatra rehetra izahay, ary matoky fa marina ny hitsim-ponay. Priez pour nous, car nous croyons avoir une bonne conscience, résolus que nous sommes à nous bien conduire en toutes choses.
Heb 13:19 But I beseech you the rather to do this, that I may be restored to you the sooner. Nefa mainka mangataka anareo hanao izany aho, mba hampodina faingampaingana kokoa ho aminareo. Ny angatahako ny hanaovanareo izany indrindra anefa, dia ny mba hiverenako any aminareo faingampaingana. Je vous exhorte plus instamment à le faire pour obtenir que je vous sois rendu plus vite.
Heb 13:20 Now the God of peace, that brought again from the dead our Lord Jesus, that great shepherd of the sheep, through the blood of the everlasting covenant, Ary Andriamanitry ny fiadanana, Izay nitondra an' i Jesosy Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe, hiala amin' ny maty, mitondra ny ran' ny fanekena mandrakizay, Ary enga anie ka ny Andriamanitry ny fiadanana, izay nanatsoaka tamin' ny fahafatesana an' ilay Mpiandry ondry lehibe noho ny ran' ny fanekena mandrakizay, dia Jeso Tompontsika, Que le Dieu de la paix, qui a ramené de chez les morts celui qui est devenu par le sang d' une alliance éternelle le grand Pasteur des brebis, notre Seigneur Jésus,
Heb 13:21 Make you perfect in every good work to do his will, working in you that which is wellpleasing in his sight, through Jesus Christ; to whom be glory for ever and ever. Amen. Izy anie hahatanteraka anareo amin' ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin' ny alalan' i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. no hanomana anareo amin' ny asa soa rehetra, mba hanatanterahanareo ny sitra-pony, amin' ny fanaovanareo ao anatinareo izay tsara eo imasony, amin' ny alalan' i Jeso-Kristy: ho azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. vous rende aptes à accomplir sa volonté en toute sorte de bien, produisant en nous ce qui lui est agréable par Jésus Christ, à qui soit la gloire pour les siècles des siècles ! Amen.
Heb 13:22 And I beseech you, brethren, suffer the word of exhortation: for I have written a letter unto you in few words. Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, zakao ny teny fananarana; fa efa nanoratra epistily fohifohy ihany ho aminareo aho. Mangataka aminareo aho, ry rahalahy, mba hankasitraka ity teny fananarana ity; fa teny fohifohy ihany no nosoratako ho anareo. Je vous en prie, frères, faites bon accueil à ces paroles d' exhortation : aussi bien vous ai-je écrit brièvement.
Heb 13:23 Know ye that our brother Timothy is set at liberty; with whom, if he come shortly, I will see you. Aoka ho fantatrareo fa efa afaka Timoty rahalahintsika; koa raha tàhiny handeha faingana izy, dia hiaraka aminy hamangy anareo aho. Aoka ho fantatrareo fa efa afaka Timote rahalahintsika; ka raha tonga faingampaingana izy, dia hiaraka aminy hamangy anareo aho. Apprenez que notre frère Timothée a été libéré. S' il arrive assez tôt, c' est avec lui que je viendrai vous voir.
Heb 13:24 Salute all them that have the rule over you, and all the saints. They of Italy salute you. Manaova veloma amin' izay rehetra mpitondra anareo sy ny olona masina rehetra. Izay an' Italia dia manao veloma anareo. Veloma any amin' ny lehibenareo rehetra, sy ny olo-masina rehetra. Manao veloma anareo koa ny rahalahy aty Italia. Saluez tous vos chefs et tous les saints. Ceux d' Italie vous saluent.
Heb 13:25 Grace be with you all. Amen. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana. Amena. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana. Amena. La grâce soit avec vous tous !

<-
->