Toko sy andininy momba Saraha

  Genesis Fiandohana na Genesisy Fiandohana na Jenezy La Genèse
...............
Gen / Jen 17.15 And God said unto Abraham, As for Sarai thy wife, thou shalt not call her name Sarai, but Sarah shall her name be. Dia hoy Andriamanitra tamin' i Abrahama: Ny amin' i Saray vadinao, dia tsy mba hataonao Saray intsony ny anarany, fa Saraha no ho anarany. Hoy Andriamanitra tamin' i Abrahama: Ny vadinao Saray tsy hataonao Saray intsony ny anarany fa Sarà no anarany. Dieu dit à Abraham : Ta femme Saraï, tu ne l' appelleras plus Saraï, mais son nom est Sara.
...............
Gen / Jen 17.17 Then Abraham fell upon his face, and laughed, and said in his heart, Shall a child be born unto him that is an hundred years old? and shall Sarah, that is ninety years old, bear? Dia niankohoka Abrahama ary nitsiky, dia nanao anakampo hoe: Hiteraka va aho, izay efa zato taona? ary hiteraka va Saraha, izay efa sivi-folo taona? Niankohoka tamin' ny tany Abrahama sady nihomehy nanao anakampo hoe: Lehilahy efa zato taona va ka dia mbola hiteraka indray! Ary Sarà, vehivavy efa sivy folo taona ve ka dia hiteraka! Abraham tomba la face contre terre, et il se mit à rire car il se disait en lui-même : Un fils naîtra-t-il à un homme de cent ans, et Sara qui a quatre-vingt-dix ans va-t-elle enfanter ?
...............
Gen / Jen 17.19 And God said, Sarah thy wife shall bear thee a son indeed; and thou shalt call his name Isaac: and I will establish my covenant with him for an everlasting covenant, and with his seed after him. Ary hoy Andriamanitra: Tsia, fa Saraha vadinao hiteraka zazalahy aminao; ary ny anarany dia hataonao hoe Isaka; ary ny fanekeko haoriko aminy ho fanekena mandrakizay ho an' ny taranany mandimby azy. Hoy Andriamanitra: Eny, hitera-dahy ho anao Sarà vadinao; hataonao hoe Isaaka no anarany; ary hanao fanekem-pihavanana aminy aho, dia fanekena mandrakizay ho an' ny taranany hanaraka azy. Mais Dieu reprit : Non, mais ta femme Sara te donnera un fils, tu l' appelleras Isaac, j'établirai mon alliance avec lui, comme une alliance perpétuelle, pour être son Dieu et celui de sa race après lui.
...............
Gen / Jen 17.21 But my covenant will I establish with Isaac, which Sarah shall bear unto thee at this set time in the next year. Nefa ny fanekeko haoriko amin' Isaka. izay haterak' i Saraha aminao raha avy ny taona toy izao. Ny fanekeko anefa dia haoriko amin' Isaaka, izay haterak' i Sarà, vadinao, ho anao, raha avin-taona toy izao. Mais mon alliance, je l'établirai avec Isaac, que va t' enfanter Sara, l' an prochain à cette saison.
...............
Gen / Jen 18.6 And Abraham hastened into the tent unto Sarah, and said, Make ready quickly three measures of fine meal, knead it, and make cakes upon the hearth. Dia nandeha faingana Abrahama nankany an-day tany amin' i Saraha ka nanao hoe: Faingana, makà koba tsara toto intelon' ny famarana; dia fetafetao ka ataovy mofo. Dia niverina faingana Abrahama nankeo an-day amin' i Sarà ka nanao hoe: Abraham se hâta vers la tente auprès de Sara et dit : Prends vite trois boisseaux de farine, de fleur de farine, pétris et fais des galettes.
...............
Gen / Jen 18.9 And they said unto him, Where is Sarah thy wife? And he said, Behold, in the tent. Ary hoy izy telo lahy tamin' i Abrahama: Aiza Saraha vadinao? Ary hoy kosa izy: Indro, ao an-day izy. Rahefa izany dia hoy ireo taminy: Aiza Sarà vadinao? Hoy ny navaliny: Ao an-day ao izy. Ils lui demandèrent : Où est Sara, ta femme ? Il répondit : Elle est dans la tente.
Gen / Jen 18.10 And he said, I will certainly return unto thee according to the time of life; and, lo, Sarah thy wife shall have a son. And Sarah heard it in the tent door, which was behind him. Ary hoy Izy: Hiverina aminao tokoa Aho raha avy ny taona toy izao; ary, indro hanana zazalahy Saraha vadinao. Ary Saraha nandre izany teo am-baravaran' ny lay, izay teo ivohon' Ilay niteny. Ary hoy izy: Hiverina aty aminao indray aho, raha avin-taona toy izao, ary hanana zazalahy Sarà vadinao. Ren' i Sarà teo am-baravaran' ny lay, teo ivohony, izany teny izany. L' hôte dit : Je reviendrai vers toi l' an prochain; alors, ta femme Sara aura un fils. Sara écoutait, à l' entrée de la tente, qui se trouvait derrière lui.
Gen / Jen 18.11 Now Abraham and Sarah were old and well stricken in age; and it ceased to be with Sarah after the manner of women. Ary Abrahama sy Saraha dia samy efa zoki-olona ka nandroso fahanterana, ary efa nitsahatra tamin' ny fombam-behivavy Saraha. Ary Abrahama sy Sarà dia efa samy antitra, ela andro niainana; ary Sarà dia efa nitsaha-potoana, Or Abraham et Sara étaient vieux, avancés en âge, et Sara avait cessé d' avoir ce qu' ont les femmes.
Gen / Jen 18.12 Therefore Sarah laughed within herself, saying, After I am waxed old shall I have pleasure, my lord being old also? Ary Saraha dia nihomehy anakampo ka nanao hoe: Moa mbola hanana hafaliana ihany va aho rehefa tratrantitra toy izao, sady efa antitra koa itompokolahy? ka nihomehy anakampo Sarà nanao hoe: Izay izaho efa anti-bavy ity ve dia mbola hahalala izay fifalia-nofo koa? ary ny tompoko koa itsy efa antitra! Donc, Sara rit en elle-même, se disant : Maintenant que je suis usée, je connaîtrais le plaisir ! Et mon mari qui est un vieillard !
Gen / Jen 18.13 And the Lord said unto Abraham, Wherefore did Sarah laugh, saying, Shall I of a surety bear a child, which am old? Ary hoy Jehovah tamin' i Abrahama: Nahoana no nihomehy Saraha ka nanao hoe: Hiteraka tokoa va aho, kanefa izao efa antitra izao? Hoy Iaveh tamin' i Abrahama: Nahoana Sarà no nihomehy nanao hoe: Izay izaho efa anti-bavy ity ve dia mbola hiteraka indray? Mais Yahvé dit à Abraham : Pourquoi Sara a-t-elle ri, se disant : Vraiment, vais-je encore enfanter, alors que je suis devenue vieille ?
Gen / Jen 18.14 Is any thing too hard for the Lord? At the time appointed I will return unto thee, according to the time of life, and Sarah shall have a son. Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain' i Jehovah va? Amin' ny fotoan' andro raha avy ny taona toy izao dia hiverina aminao Aho, ary Saraha hanana zazalahy. Moa misy zava-mahatalanjona tsy efan' ny Tompo va na inona na inona? Raha avin-taona toy izao dia hiverina aty aminao indray aho; ary Sarà dia hahazo zazalahy. Y a-t-il rien de trop merveilleux pour Yahvé ? A la même saison l' an prochain, je reviendrai chez toi et Sara aura un fils.
Gen / Jen 18.15 Then Sarah denied, saying, I laughed not; for she was afraid. And he said, Nay; but thou didst laugh. Dia nandà Saraha satria natahotra izy, ka nanao hoe: Tsy nihomehy aho tsy akory. Fa hoy Ilay niteny: Tsia; fa nihomehy mihitsy ianao. Nandà Sarà nanao hoe: Tsy nihomehy aho tsy akory; fa natahotra izy. Tsia fa nihomehy tokoa hianao, hoy izy. Sara démentit : Je n' ai pas ri, dit-elle, car elle avait peur, mais il répliqua : Si, tu as ri.
...............
Gen / Jen 20.2 And Abraham said of Sarah his wife, She is my sister: and Abimelech king of Gerar sent, and took Sarah. Ary hoy ny filazan' i Abrahama an' i Saraha vadiny: Anabaviko izy; dia naniraka Abimeleka, mpanjakan' i Gerara, nampaka an' i Saraha. Sarà vadiny nolazain' i Abrahama hoe: anabaviko io. Naniraka olona haka an' i Sarà Abimeleka mpanjakan' i Jerara. Abraham dit de sa femme Sara : C' est ma soeur et Abimélek, le roi de Gérar, fit enlever Sara.
...............
Gen / Jen 20.13 And it came to pass, when God caused me to wander from my father' s house, that I said unto her, This is thy kindness which thou shalt shew unto me; at every place whither we shall come, say of me, He is my brother. Ary raha nampifindrafindra ahy hiala tamin' ny tranon' ny raiko Andriamanitra, dia hoy izaho tamin' ny vadiko: Izao no soa hataonao amiko any amin' izay tany rehetra halehantsika dia lazao aho hoe: Anadahiko izy. Nony nampivezivezen' Andriamanitra lavitra ny tranon' i kaky aho, dia hoy aho tamin' i Sarà: Izao no fitia angatahiko ataonao amiko: Any amin' izay tany rehetra hahatongavantsika any aho lazao hoe: Anadahiko io. Alors, quand Dieu m' a fait errer loin de ma famille, je lui ai dit : Voici la faveur que tu me feras : partout où nous arriverons, dis de moi que je suis ton frère.
Gen / Jen 20.14 And Abimelech took sheep, and oxen, and menservants, and womenservants, and gave them unto Abraham, and restored him Sarah his wife. Ary Abimeleka naka ondry sy omby sy ankizilahy ary ankizivavy, ka nomeny an' i Abrahama ireny; ary Saraha vadiny dia naveriny teo aminy. Dia naka omby sy ondry sy ankizilahy amin' ankizivavy Abimeleka ka nomeny an' i Abrahama, ary Sarà vadiny naveriny taminy koa. Abimélek prit du petit et du gros bétail, des serviteurs et des servantes et les donna à Abraham, et lui rendit sa femme Sara.
...............
Gen / Jen 20.16 And unto Sarah he said, Behold, I have given thy brother a thousand pieces of silver: behold, he is to thee a covering of the eyes, unto all that are with thee, and with all other: thus she was reproved. Ary hoy kosa izy tamin' i Saraha: Indro, efa nomeko sekely volafotsy arivo ny anadahinao; indro, ho fanampena-maso aminao izany, dia amin' izay rehetra momba anao: ka dia efa nahazo ny rariny ianao ny amin' izany rehetra izany. Ary hoy koa izy tamin' i Sarà: Nomeko volafotsy arivo sikla ny anadahinao, izany no fanampena-maso ho anao, amin' izay rehetra eo aminao sy amin' ny olona rehetra, ka dia afa-tsiny hianao izao. A Sara il dit : Voici mille pièces d' argent que je donne à ton frère. Ce sera pour toi comme un voile jeté sur les yeux de tous ceux qui sont avec toi, et de tout cela tu es justifiée.
...............
Gen / Jen 20.18 For the Lord had fast closed up all the wombs of the house of Abimelech, because of Sarah Abraham' s wife. Fa Jehovah efa nahamomba tokoa ny vehivavy rehetra tamin' ny ankohonan' i Abimeleka noho ny amin' i Saraha, vadin' i Abrahama. Fa efa nataon' ny Tompo momba ny kibon' ny ankohonan' i Abimeleka rehetra noho ny amin' i Sarà vadin' i Abrahama. Car Yahvé avait rendu stérile le sein de toutes les femmes dans la maison d' Abimélek, à cause de Sara, la femme d' Abraham.
Gen / Jen 21.1 And the Lord visited Sarah as he had said, and the Lord did unto Sarah as he had spoken. Ary Jehovah namangy an' i Saraha araka ilay efa nolazainy, ary dia nataon' i Jehovah tamin' i Saraha araka ilay efa noteneniny. Namangy an' i Sarà Iaveh araka ilay efa voalazany, notanterahin' ny Tompo tamin' i Sarà ny efa nampanantenainy. Yahvé visita Sara comme il avait dit et il fit pour elle comme il avait promis.
Gen / Jen 21.2 For Sarah conceived, and bare Abraham a son in his old age, at the set time of which God had spoken to him. Dia nanan' anaka Saraha ka niteraka zazalahy tamin' i Abrahama, rehefa antitra izy, tamin' ny fotoana izay efa nolazain' Andriamanitra taminy. Nanana anaka Sarà ka nitera-dahy tamin' i Abrahama, tamin' ny fahanterany, nony tonga ny fotoana nolazain' Andriamanitra azy. Sara conçut et enfanta un fils à Abraham déjà vieux, au temps que Dieu avait marqué.
Gen / Jen 21.3 And Abraham called the name of his son that was born unto him, whom Sarah bare to him, Isaac. Ary ny anaran' ny zanany izay teraka, ilay naterak' i Saraha taminy dia nataon' i Abrahama hoe Isaka. Ary ny anaran' ilay zaza teraka taminy, naterak' i Sarà taminy, dia nataon' i Abrahama hoe Isaaka. Au fils qui lui naquit, enfanté par Sara, Abraham donna le nom d' Isaac.
...............
Gen / Jen 21.6 And Sarah said, God hath made me to laugh, so that all that hear will laugh with me. Ary hoy Saraha: Efa nampihomehezin' Andriamanitra aho; izay rehetra mandre dia hiara-mihomehy amiko. Ary hoy Sarà: Efa nomen' Andriamanitra ahy izay hampihomehy ahy, ka na iza na iza handre izany dia hihomehy noho ny amiko. Hoy koa izy: Et Sara dit : Dieu m' a donné de quoi rire, tous ceux qui l' apprendront me souriront.
Gen / Jen 21.7 And she said, Who would have said unto Abraham, that Sarah should have given children suck? for I have born him a son in his old age. Ary hoy koa izy: Nampoizin' iza akory moa no hilaza amin' i Abrahama fa hampinono zaza Saraha? kanjo efa niteraka zazalahy taminy aho, rehefa antitra izy. Iza moa no nanan-kevitra ny hilaza amin' i Abrahama hoe: Hampinono zaza Sarà? Kanjo antitra izy ity vao tera-dahy taminy aho. Elle dit aussi : Qui aurait dit à Abraham que Sara allaiterait des enfants ! car j' ai donné un fils à sa vieillesse.
...............
Gen / Jen 21.9 And Sarah saw the son of Hagar the Egyptian, which she had born unto Abraham, mocking. Ary Saraha nahita fa nihomehy ny zanak' i Hagara Egyptiana, izay efa naterany tamin' i Abrahama. Ilay zanak' i Agara Ejipsiana naterany tamin' i Abrahama kosa, hitan' i Sarà fa nihomehy, Or Sara aperçut le fils né à Abraham de l'Égyptienne Agar, qui jouait avec son fils Isaac,
...............
Gen / Jen 21.12 And God said unto Abraham, Let it not be grievous in thy sight because of the lad, and because of thy bondwoman; in all that Sarah hath said unto thee, hearken unto her voice; for in Isaac shall thy seed be called. Ary hoy Andriamanitra tamin' i Abrahama: Aoka tsy ho ratsy eo imasonao ny amin' ny zaza sy ny andevovavinao; fa izay rehetra lazain' i Saraha aminao, dia ekeo ny teniny, fa avy amin' Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao. Fa hoy Andriamanitra tamin' i Abrahama: Aza atao mampalahelo anao ny amin' ny zaza sy ny andevovavinao, fa na inona na inona angatahin' i Sarà ekeo avokoa, satria avy amin' Isaaka no hihavian' ny taranaka hitondra ny anaranao. mais Dieu lui dit : Ne te chagrine pas à cause du petit et de ta servante, tout ce que Sara te demande, accorde-le, car c' est par Isaac qu' une descendance perpétuera ton nom,
Gen / Jen 23.1 And Sarah was an hundred and seven and twenty years old: these were the years of the life of Sarah. Ary ny andro niainan' i Saraha dia fito amby roa-polo amby zato taona; izany no taona niainan' i Saraha. Ny andro niainan' i Sarà dia fito amby roa-polo amby zato taona, izany no taona niainany. La durée de la vie de Sara fut de cent vingt-sept ans,
Gen / Jen 23.2 And Sarah died in Kirjatharba; the same is Hebron in the land of Canaan: and Abraham came to mourn for Sarah, and to weep for her. Ary Saraha dia maty tao Kiriat-arba (Hebrona izany) tany amin' ny tany Kanana; dia tonga Abrahama hisaona an' i Saraha sy hitomany azy. Ary Sarà dia maty tany Kiriatarbe, dia Hebrona izany, any amin' ny tany Kanaana; ka tonga Abrahama hisaona an' i Sarà sy hitomany azy. et elle mourut à Qiryat-Arba - c' est Hébron - au pays de Canaan. Abraham entra faire le deuil de Sara et la pleurer.
...............
Gen / Jen 23.19 And after this, Abraham buried Sarah his wife in the cave of the field of Machpelah before Mamre: the same is Hebron in the land of Canaan. Ary rehefa afaka izany, Abrahama dia nandevina an' i Saraha vadiny tao amin' ny zohy tao amin' ny saha Makpela tandrifin' i Mamre (Hebrona izany), ao amin' ny tany Kanana; Izay Abrahama vao nandevina an' i Sarà vadiny, tao an-johin' i Makpelà, tandrifin' i Mambre dia Hebrona izany, any amin' ny tany Kanaana. Puis Abraham enterra Sara, sa femme, dans la grotte du champ de Makpéla, vis-à-vis de Mambré c' est Hébron, au pays de Canaan.
...............
Gen / Jen 24.36 And Sarah my master' s wife bare a son to my master when she was old: and unto him hath he given all that he hath. Ary rehefa antitra Saraha, vadin' ny tompoko, dia niteraka zazalahy tamin' ny tompoko izy; ary efa natolotry ny tompoko ho an' ny zanany izay rehetra ananany. Efa antitra Sarà, vadin' ny tompoko, no niteraka tamin' ny tompoko zazalahy anankiray izay notolorany ny fananany rehetra. Sara, la femme de mon maître, lui a, quand il était déjà vieux, enfanté un fils, auquel il a transmis tous ses biens.
...............
Gen / Jen 24.67 And Isaac brought her into his mother Sarah' s tent, and took Rebekah, and she became his wife; and he loved her: and Isaac was comforted after his mother' s death. Ary Isaka dia nampandroso an-dRebeka ho ao an-dain' i Saraha reniny ka nampakatra azy ho vadiny; ary tia azy izy, dia nionona ny alahelony an-dreniny. Dia nampandrosoin' Isaaka Rebekà ho ao an-dain' i Sara reniny, sady nampakariny ho vady. Ary tia azy izy, ka nionona ny alahelony an-dreniny. Et Isaac introduisit Rébecca dans sa tente : il la prit et elle devint sa femme et il l' aima. Et Isaac se consola de la perte de sa mère.
...............
Gen / Jen 25.10 The field which Abraham purchased of the sons of Heth: there was Abraham buried, and Sarah his wife. dia ilay saha izay novinidin' i Abrahama tamin' ny taranak' i Heta; tao no nandevenana an' i Abrahama sy Saraha vadiny. dia ilay saha novidin' i Abrahama tamin' ny taranak' i Heta. Tao no nalevina Abrahama sy Sarà vadiny. C' est le champ qu' Abraham avait acheté aux fils de Hèt; là furent enterrés Abraham et sa femme Sara.
...............
Gen / Jen 25.12 Now these are the generations of Ishmael, Abraham' s son, whom Hagar the Egyptian, Sarah' s handmaid, bare unto Abraham: Ary izao no taranak' Isimaela, zanakalahin' i Abrahama izay naterak' i Hagara, ilay Egyptiana, andevovavin' i Saraha, tamin' i Abrahama : Izao no tantaran' Ismaely zanak' i Abrahama izay naterak' i Agara Ejipsiana mpanompovavin' i Sarà tamin' i Abrahama. Voici la descendance d' Ismaèl, le fils d' Abraham, que lui enfanta Agar, la servante égyptienne de Sara.
...............
Gen / Jen 46.17 And the sons of Asher; Jimnah, and Ishuah, and Isui, and Beriah, and Serah their sister: and the sons of Beriah; Heber, and Malchiel. Ary ny zanak' i Asera dia Jimna sy Jisva sy Jisvy sy Beria ary Sera, anabavin' ireo; ary ny zanakalahin' i Beria dia Hebera sy Malkiela. Zanak' i Asera: Jamne, Jesoà, Jesoì, Berià, ary Sarà anabavin' ireo. Ny zanak' i Beria dia Hebera sy Melkiela. Les fils d' Asher : Yimna, Yishva, Yishvi, Beria et leur soeur Sérah; les fils de Beria : Héber et Malkiel.
...............
Gen / Jen 49.31 There they buried Abraham and Sarah his wife; there they buried Isaac and Rebekah his wife; and there I buried Leah. Tao no nandevenany an' i Abrahama sy Saraha vadiny; ary tao koa no nandevenany an' Isaka sy Rebeka vadiny; ary tao koa no nandevenako an' i Lea, Tao no nandevenana an' i Abrahama sy Sarà vadiny. Tao no nandevenana an' Isaaka sy Rebekà vadiny. Ary tao no nandevenako an' i Lià. Là furent ensevelis Abraham et sa femme Sara, là furent ensevelis Isaac et sa femme Rébecca, là j' ai enseveli Léa.

  Numbers Fanisana na Nomery Fanisana Les Nombres
...............
Nom / Fan 26.46 And the name of the daughter of Asher was Sarah. Ary ny anaran' ny zanakavavin' i Asera dia Sera. Ny anaran' ny zanakavavin' i Asera, dia Sarà. La fille d' Asher se nommait Sarah.

  1st Book of Chronicles 1 Tantara Tantara I 1er Livre des Chroniques
...............
1Tt / 1Tan 7.24 (And his daughter was Sherah, who built Bethhoron the nether, and the upper, and Uzzensherah.) (Ary ny zananivavy dia Sera, izay nanorina an' i Beti-horona ambany sy ambony sy Ozena-sera). Ny zanany vavy kosa dia Sarà, izay nanorina an' i Betorona ambany sy Betorona ambony ary Ozena-Sara. Il eut pour fille Shééra qui bâtit Bet-Horôn, le bas et le haut, et Uzzèn-Shééra.
...............
1Tt / 1Tan 7.30 The sons of Asher; Imnah, and Isuah, and Ishuai, and Beriah, and Serah their sister. Ny zanakalahin' i Asera dia Jimna sy Jisva sy Jisvy sy Beria; ary Sera no anabavin' ireo. Zanak' i Asera: Jemnà, Jesoà, Jesoì, Barià ary Sarà anabavin' ireo. Fils d' Asher : Yimna, Yishva, Yishvi, Béria; Sérah leur soeur.

      Tobia Livre de Tobie
...............
Tb 3.7 Tamin' izay andro izay ihany koa, tany Ekbatana, tanànan' ny Meda, dia nandre ny fanebahan' ny iray amin' ny ankizivavin-drainy azy, Sarà zanakavavin-dRagoela. Le même jour, il advint que Sarra, fille de Ragouèl, habitant d' Ecbatane en Médie, entendit aussi les insultes d' une servante de son père.
...............
Tb 3.10 tadiavinao hovonoina aho toy ny namonoanao azy fitolahy vadinao. Raha nandre izany teny izany Sarà dia niakatra tany amin' ny efi-tranon' ny tranony ambony rihana, ka nijanona tao hateloana, tsy nihinana na nisotro; Ce jour-là, elle eut du chagrin, elle sanglota, elle monta dans la chambre de son père, avec le dessein de se pendre. Puis, à la réflexion, elle pensa : "Et si l' on blâmait mon père? On lui dira : Tu n' avais qu' une fille chérie, et, de malheur, elle s' est pendue! Je ne veux pas affliger la vieillesse de mon père jusqu' au séjour des morts. Je ferais mieux de ne pas me pendre, et de supplier le Seigneur de me faire mourir, afin que je n' entende plus d' insultes pendant ma vie."
...............
Tb 3.25 Ny anjely masin' ny Tompo, Rafaela, no voairaka hanasitrana an' i Tobia sy Sarà, fa ny vavak' izy ireo dia indray notononina teo anatrehan' ny Tompo.
...............
Tb 6.11 Ary hoy ny anjely namaly azy: Eto misy lehilahy anankiray atao hoe: Ragoela, iray foko amam-pianakaviana aminao, manan-janakavavy anankiray atao hoe Sarà izy; ary tsy manan-janaka hafa, afa-tsy izay, na lahy na vavy. mais, à part Sarra, il n' a ni garçon ni fille. Or c' est toi son plus proche parent, elle te revient par priorité, et tu peux prétendre à l' héritage de son père. C' est une enfant sérieuse, courageuse, très gentille, et son père l' aime bien.
...............
Tb 7.8 Samy latsa-dranomaso koa Anna vadiny sy Sarà zanany vavy. Et sa femme pleura sur lui, et puis leur fille Sarra aussi.
...............
Tb 7.10 Fa hoy Tobia: Tsy hihinana na hisotro eto aho anio, raha tsy ekenao aloha ny fangatahako, ka omenao toky aho fa homenao ho vadiko Sarà zanaka vavinao. Ragouèl surprit ces paroles, et dit au jeune homme : "Mange et bois, ne gâte pas ta soirée, parce que personne n' a le droit de prendre ma fille Sarra, si ce n' est toi, mon frère. Aussi bien ne suis-je pas libre, moi non plus, de la donner à un autre, puisque tu es son plus proche parent. Maintenant, mon petit, je vais te parler franchement.
...............
Tb 7.19 Ka nentiny nankao Sarà zanany vavy, izay rafitra nitomany.
Tb 8.1 Nony vita ny sakafo, dia nentin' izy ireo ho ao amin' i Sarà razazalahy. Quand on eut fini de boire et de manger, on parla d' aller se coucher, et l' on conduisit le jeune homme depuis la salle du repas jusque dans la chambre.
...............
Tb 8.4 Ary Tobia kosa namporisika an-drazazavavy nanao taminy hoe: Mitsangàna, ry Sarà, aoka hivavaka amin' Andriamanitra isika anio sy ampitso ary rahafak' ampitso; Andriamanitra no hiraisantsika mandritra ireo andro telo ireo; rahefa afaka ny alina fahatelo dia ho velona ao amin' ny fanambadiantsika isika. Cependant les parents étaient sortis en refermant la porte. Tobie se leva du lit, et dit à Sarra : "Debout, ma soeur! Il faut prier tous deux, et recourir à notre Seigneur, pour obtenir sa grâce et sa protection."
...............
Tb 8.10 Ary hoy Sarà: Mamindrà fo aminay, Tompo ô, mamindra fo aminay, enga anie ka ho tratra antitra ho salama tsy marofy izahay roroa. Il avait pensé : "Pourvu qu' il ne meure pas! Nous serions couverts de ridicule et de honte."
...............
Tb 10.10 Mbola niangavy fatratra tamin' i Tobia ihany indray anefa izy, fa tsy nisy neken' io izay nataony antony, ka natolony azy Sarà, mbamin' ny antsasak' izay nananany rehetra, na ankizilahy, na ankizivavy, na vola izay nananany be, dia navelany handeha izy, salama tsara sy feno hafaliana, nataony hoe: sur-le-champ, Ragouèl lui remit son épouse Sarra. Il donnait à Tobie la moitié de ses biens, en serviteurs et servantes, en boeufs et brebis, ânes et chameaux, et en habits, argent et ustensiles.
...............
Tb 11.18 Hafitoana taorian' izany, dia tonga koa Sarà sy ny mpanompony rehetra samy salama tsara, mbamin' ny biby fiompiny aman-drameva ary ny vola rehetra tamin' ny fanambadiany, sy ilay naverin' i Gabelosa. Ce jour-là fut une fête pour tous les Juifs de Ninive,
...............
Tb 12.14 Fa nirahin' ny Tompo aho ankehitriny hanasitrana anao, sy hanafaka an' i Sarà vadin-janakao amin' ny demony. et Dieu m' envoya en même temps pour te guérir, ainsi que ta belle-fille Sarra.

  Book of Isaiah Isaia Izaia Livre d'Isaïe
...............
Isa / Iz 51.2 Look unto Abraham your father, and unto Sarah that bare you: for I called him alone, and blessed him, and increased him. Eny, tsarovy Abrahama rainareo sy Saraha, izay niteraka anareo; fa fony mbola tokana izy, dia nantsoiko sy notahiko ary nohamaroiko. Diniho Abrahama rainareo; sy Sarà, izay niteraka anareo; fa fony izy mbola tokana no nantsoiko izy, dia notahiko sy nohamaroiko. Regardez Abraham votre père et Sara qui vous a enfantés. Il était seul quand je l' ai appelé, mais je l' ai béni et multiplié.

  Letter to the Romans Romanina Romana Épître de Saint Paul aux Romains
...............
Rom / Rm 4.19 And being not weak in faith, he considered not his own body now dead, when he was about an hundred years old, neither yet the deadness of Sarah' s womb: Ary satria tsy mba nalemy finoana izy, dia nihevitra ny tenany izay efa hoatra ny maty (fa efa tokony ho zato taona izy) sy ny fahafatesan' ny kibon' i Saraha, Sady tsy mba nalemy finoana izy, fa tsy noheveriny akory ity tenany efa hoatra ny maty (efa tokony ho zato taona izy fahizany), sy izato kibon' i Sarà efa ritra aina. C' est d' une foi sans défaillance qu' il considéra son corps déjà mort - il avait quelque cent ans - et le sein de Sara, mort également ;
...............
Rom / Rm 9.9 For this is the word of promise, At this time will I come, and Sarah shall have a son. Fa izao no filàzan' ny teny fikasana: Raha avy ny taona toy izao, dia ho avy Aho, ary hanana zazalahy Saraha (Gen. 18. 10). Ary toy izao no teny fampanantenana iray: Amin' ny herin-taona toy izao dia ho avy indray aho, ary hahazo zazalahy i Sarà. Voici en effet les termes de la promesse : Vers cette époque je viendrai et Sara aura un fils.
Rom / Rm 9.10 And not only this; but when Rebecca also had conceived by one, even by our father Isaac; Ary tsy izany ihany, fa Rebeka koa dia nanan' anaka tamin' ny anankiray, dia tamin' isaka razantsika; Ary tsy Sarà ihany, fa toy izany koa Rebekà, izay nanan-janaka roa tamin' ny lehilahy iray, dia Isaaka raintsika: Mieux encore, Rébecca avait conçu d' un seul homme, Isaac notre père :

  Letter to the Hebrews Hebreo Hebrio Épître de Saint Paul aux Hébreux
...............
Heb 11.11 Through faith also Sara herself received strength to conceive seed, and was delivered of a child when she was past age, because she judged him faithful who had promised. Ary na Saraha aza, dia finoana koa no nandraisany hery hanan' anaka, rehefa nitsaha-jaza izy, satria nataony fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana. Ny finoana koa no nahazoan' i Sarà hery hanana anaka, na dia efa antitra tsy tokony hiteraka intsony aza izy, satria nino izy fa mahatoky ilay nampanantena. Par la foi, Sara, elle aussi, reçut la vertu de concevoir, et cela en dépit de son âge avancé, parce qu' elle estima fidèle celui qui avait promis.

  1st Letter of Peter 1 Petera Piera I 1ère Épître de Saint Pierre
...............
1Pe / 1P 3.6 Even as Sara obeyed Abraham, calling him lord: whose daughters ye are, as long as ye do well, and are not afraid with any amazement. dia tahaka an' i Saraha, izay nanaiky an' i Abrahama ka nanao azy hoe "tompoko"; dia zanany ianareo, raha mba manao soa ka tsy matahotra izay fampitahorana na inona na inona. tahaka an' i Sarà izay nanaiky an' i Abrahama sy nanao azy ho tompony; ary zanany hianareo, raha manao soa tsy aman-tahotra na inona na inona fampitahorana anareo. telle Sara obéissait à Abraham, en l' appelant son Seigneur. C' est d' elle que vous êtes devenues les enfants, si vous agissez bien, sans terreur et sans aucun trouble.