<-
->

Gen / Jen 23:1 And Sarah was an hundred and seven and twenty years old: these were the years of the life of Sarah. Ary ny andro niainan' i Saraha dia fito amby roa-polo amby zato taona; izany no taona niainan' i Saraha. Ny andro niainan' i Sarà dia fito amby roa-polo amby zato taona, izany no taona niainany. La durée de la vie de Sara fut de cent vingt-sept ans,
Gen / Jen 23:2 And Sarah died in Kirjatharba; the same is Hebron in the land of Canaan: and Abraham came to mourn for Sarah, and to weep for her. Ary Saraha dia maty tao Kiriat-arba (Hebrona izany) tany amin' ny tany Kanana; dia tonga Abrahama hisaona an' i Saraha sy hitomany azy. Ary Sarà dia maty tany Kiriatarbe, dia Hebrona izany, any amin' ny tany Kanaana; ka tonga Abrahama hisaona an' i Sarà sy hitomany azy. et elle mourut à Qiryat-Arba - c' est Hébron - au pays de Canaan. Abraham entra faire le deuil de Sara et la pleurer.
Gen / Jen 23:3 And Abraham stood up from before his dead, and spake unto the sons of Heth, saying, Ary Abrahama nitsangana niala avy teo anilan' ny fatin' ny vadiny, dia niteny tamin' ny taranak' i Heta ka nanao hoe: Dia nitsangana Abrahama niala teo anilan' ny maty, ka niteny tamin' ny zanak' i Heta hoe: Puis Abraham se leva de devant son mort et parla ainsi aux fils de Hèt :
Gen / Jen 23:4 I am a stranger and a sojourner with you: give me a possession of a buryingplace with you, that I may bury my dead out of my sight. Vahiny sy mpivahiny eto aminareo aho; omeo tany fandevenana eto aminareo aho mba handevenako ny fatin' ny vadiko tsy ho eto anatrehako. Olona hafa firenena sy vahiny eto aminareo aho, ka mba avelao aho hanana tany fandevenana eto aminareo, mba hisy hanalako ny fatin' ny vadiko tsy ho eto anoloako, sy handevenako azy. Je suis chez vous un étranger et un résident. Accordez-moi chez vous une possession funéraire pour que j' enlève mon mort et l' enterre.
Gen / Jen 23:5 And the children of Heth answered Abraham, saying unto him, Dia namaly an' i Abrahama ny taranak' i Heta ka nanao taminy hoe: Dia namaly an' i Abrahama ny zanak' i Heta, ka nanao taminy hoe: Les fils de Hèt firent cette réponse à Abraham :
Gen / Jen 23:6 Hear us, my lord: thou art a mighty prince among us: in the choice of our sepulchres bury thy dead; none of us shall withhold from thee his sepulchre, but that thou mayest bury thy dead. Mihainoa anay, tompokolahy: andrian-dehibe eto aminay ianao; koa izay tsara indrindra amin' ny fasanay no andeveno ny fatin' ny vadinao; tsy misy aminay hiaro ny fasany aminao tsy handevenanao ny fatin' ny vadinao. Henoy izahay, Tompokolahy; andrian' Andriamanitra no eto aminay hianao, ka aleveno amin' izay fasana tsara indrindra eto aminay ny fatin' ny vadinao, fa tsy hisy aminay hiaro ny fasany aminao, tsy hametrahana ny fatin' ny vadinao. Monseigneur, écoute-nous plutôt ! Tu es un prince de Dieu parmi nous : enterre ton mort dans la meilleure de nos tombes; personne ne te refusera sa tombe pour que tu puisses enterrer ton mort.
Gen / Jen 23:7 And Abraham stood up, and bowed himself to the people of the land, even to the children of Heth. Dia nitsangana Abrahama ka niankohoka teo anatrehan' ny taranak' i Heta tompon-tany, Dia nitsangana Abrahama ka niankohoka teo anatrehan' ny vahoaka tompon-tany, dia ny zanak' i Heta, Abraham se leva et s' inclina devant les gens du pays, les fils de Hèt,
Gen / Jen 23:8 And he communed with them, saying, If it be your mind that I should bury my dead out of my sight; hear me, and intreat for me to Ephron the son of Zohar, dia niteny taminy ka nanao hoe: Raha sitrakareo ary ny handevenako ny fatin' ny vadiko mba tsy ho eto anatrehako, dia mihainoa ahy, ka mba iangavio kely amin' i Efrona, zanak' i Zohara, ary nanao taminy hoe: Raha tianareo ny hanalako ny fatin' ny vadiko tsy ho eto anoloako ka handevenako azy, dia henoy aho, ary mangataha ho ahy amin' i Efrona, zanak' i Seora, et il leur parla ainsi : Si vous consentez que j' enlève mon mort et que je l' enterre, écoutez-moi et intercédez pour moi auprès d'Éphrôn, fils de Çohar,
Gen / Jen 23:9 That he may give me the cave of Machpelah, which he hath, which is in the end of his field; for as much money as it is worth he shall give it me for a possession of a buryingplace amongst you. mba homeny ahy ny zohy ao Makpela izay azy, dia ilay eo amin' ny sisin' ny sahany; amin' izay vola tokom-bidiny no aoka hanomezany azy ho ahy eto aminareo ho tany fandevenana. mba hafoiny ho ahy ny zohy ao Makpelà, izay azy, eo amin' ny sisin-tsahany, mba hafoiny ho ahy eto anatrehanareo, araka izay tokom-bidiny, hataoko tany fandevenana, tena ahy tokoa. pour qu' il me cède la grotte de Makpéla, qui lui appartient et qui est à l' extrémité de son champ. Qu' il me la cède pour sa pleine valeur, en votre présence, comme possession funéraire.
Gen / Jen 23:10 And Ephron dwelt among the children of Heth: and Ephron the Hittite answered Abraham in the audience of the children of Heth, even of all that went in at the gate of his city, saying, Ary Efrona nipetraka teo amin' ny taranak' i Heta; dia namaly an' i Abrahama Efrona Hetita teo anatrehan' ny taranak' i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin' ny tanànany, ka nanao hoe: Ary Efrona nipetraka teo afovoan' ny zanak' i Heta. Efrona Heteana namaly an' i Abrahama teo anatrehan' ny zanak' i Heta, dia izay rehetra miditra ny vavahadin' ny tanànany; hoy izy taminy: Or Éphrôn était assis parmi les fils de Hèt, et Éphrôn le Hittite répondit à Abraham au su des fils de Hèt, de tous ceux qui franchissaient la porte de sa ville :
Gen / Jen 23:11 Nay, my lord, hear me: the field give I thee, and the cave that is therein, I give it thee; in the presence of the sons of my people give I it thee: bury thy dead. Tsia, tompokolahy, fa mihainoa ahy: ny saha dia omeko anao, ary ny zohy izay eo anatiny koa dia omeko anao; eto imason' ny zanaky ny fireneko no anomezako azy ho anao; aleveno ny fatin' ny vadinao. Tsia, Tompokolahy, fa henoy ny ahy; omeko anao ny saha; omeko anao koa ny zohy izay ao; ary eto anatrehan' ny zanaky ny fireneko no anomezako azy ho anao, ka aleveno ny fatin' ny vadinao. Non, Monseigneur, écoute-moi ! Je te donne le champ et je te donne aussi la grotte qui y est, je te fais ce don au vu des fils de mon peuple. Enterre ton mort.
Gen / Jen 23:12 And Abraham bowed down himself before the people of the land. Ary niankohoka teo anatrehan' ny olona tompon-tany Abrahama, Niankohoka teo anatrehan' ny vahoaka tompon-tany Abrahama, Abraham s' inclina devant les gens du pays
Gen / Jen 23:13 And he spake unto Ephron in the audience of the people of the land, saying, But if thou wilt give it, I pray thee, hear me: I will give thee money for the field; take it of me, and I will bury my dead there. dia niteny tamin' i Efrona teo anatrehan' ny olona tompon-tany ka nanao hoe: Kanefa raha mba hihaino ahy ihany ianao, dia homeko ny vidin' ny saha; raiso amiko izany, dia haleviko ao ny fatin' ny vadiko. ka niteny tamin' i Efròna teo anatrehan' ny vahoaka tompon-tany hoe: Aoka ihany re mba hohenoinao aho: Omeko ny vidin' ny saha, ka mba raiso amiko izany, dia haleviko ao ny fatin' ny vadiko. et il parla ainsi à Éphrôn, au su des gens du pays : Si seulement tu voulais m'écouter ! Je donne le prix du champ, accepte-le de moi, et j' enterrerai là mon mort.
Gen / Jen 23:14 And Ephron answered Abraham, saying unto him, Ary Efrona dia namaly an' i Abrahama ka nanao taminy hoe: Namaly Efròna ka nanao tamin' i Abrahama hoe: Éphrôn répondit à Abraham :
Gen / Jen 23:15 My lord, hearken unto me: the land is worth four hundred shekels of silver; what is that betwixt me and thee? bury therefore thy dead. Tompokolahy, mihainoa ahy: tany tokony ho lafo sekely volafotsy efa-jato, inona moa izany amintsika roa lahy? fa aleveno ny fatin' ny vadinao. Henoy ny ahy, tompokolahy: tanin' efa-jato sikla volafotsy io; ka zinona izany amiko sy aminao? Fa aleveno ny vadinao. Monseigneur, écoute-moi plutôt : une terre de quatre cents sicles d' argent, entre moi et toi, qu' est-ce que cela ? Enterre ton mort.
Gen / Jen 23:16 And Abraham hearkened unto Ephron; and Abraham weighed to Ephron the silver, which he had named in the audience of the sons of Heth, four hundred shekels of silver, current money with the merchant. Dia neken' i Abrahama ny tenin' i Efrona, ka nolanjainy ho azy ny vola izay efa voalazany teo anatrehan' ny taranak' i Heta, dia sekely volafotsy efa-jato lanin' ny mpivarotra. Nohenoin' i Abrahama i Efrona ka nolanjain' i Abrahama ny vola voalazany teo anatrehan' ny zanak' i Heta, dia volafotsy efa-jato sikla, araka ny fandraisan' ny mpivarotra azy. Abraham donna son consentement à Éphrôn et Abraham pesa à Éphrôn l' argent dont il avait parlé au su des fils de Hèt, soit quatre cents sicles d' argent ayant cours chez le marchand.
Gen / Jen 23:17 And the field of Ephron which was in Machpelah, which was before Mamre, the field, and the cave which was therein, and all the trees that were in the field, that were in all the borders round about, were made sure Ary ny sahan' i Efrona, ilay teo Makpela, izay tandrifin' i Mamre, dia ny saha sy ny zohy izay teo anatiny mbamin' ny hazo rehetra izay teo anatiny, izay teo amin' ny sisiny rehetra manodidina, dia natao varo-maty Koa amin' izany ny sahan' i Efrona, ao Makpelà, tandrifin' i Mambre, dia ny saha sy ny zohy ao, mbamin' ny hazo ao anaty saha, ary ny hazo eny amin' ny sisiny manodidina; Ainsi le champ d'Éphrôn, qui est à Makpéla, vis-à-vis de Mambré, le champ et la grotte qui y est sise, et tous les arbres qui sont dans le champ, dans sa limite,
Gen / Jen 23:18 Unto Abraham for a possession in the presence of the children of Heth, before all that went in at the gate of his city. tamini' i Abrahama ho fananana, teo imason' ny taranak' i Heta, dia izay rehetra niditra teo ambavahadin' ny tanànany. dia tapaka ho fananan' i Abrahama eo anatrehan' ny zanak' i Heta, dia izay rehetra miditra ny vavahadin' ny tanànany. passèrent en propriété à Abraham au vu des fils de Hèt, de tous ceux qui franchissaient la porte de sa ville.
Gen / Jen 23:19 And after this, Abraham buried Sarah his wife in the cave of the field of Machpelah before Mamre: the same is Hebron in the land of Canaan. Ary rehefa afaka izany, Abrahama dia nandevina an' i Saraha vadiny tao amin' ny zohy tao amin' ny saha Makpela tandrifin' i Mamre (Hebrona izany), ao amin' ny tany Kanana; Izay Abrahama vao nandevina an' i Sarà vadiny, tao an-johin' i Makpelà, tandrifin' i Mambre dia Hebrona izany, any amin' ny tany Kanaana. Puis Abraham enterra Sara, sa femme, dans la grotte du champ de Makpéla, vis-à-vis de Mambré c' est Hébron, au pays de Canaan.
Gen / Jen 23:20 And the field, and the cave that is therein, were made sure unto Abraham for a possession of a buryingplace by the sons of Heth. ka ny saha mbamin' ny zohy izay ao anatiny dia nataon' ny taranak' i Heta varo-maty tamin' i Abrahama ho tany fandevenana. Ka ny saha sy ny zohy ao anatiny dia tapaka lasan' i Abrahama, varo-maty, ho tany fandevenana, avy amin' ny zanak' i Heta. C' est ainsi que le champ et la grotte qui y est sise furent acquis à Abraham des fils de Hèt comme possession funéraire.

<-
->