Fizahan-teny

Ohabolana : mitsipy

Ohabolana 1Manao azy ho akan' ny alina ka mitsipy sandry maizim-bolana. [2.558 #1986]
Manao azy ho akan’ ny dia, ka mitsipy sandry maizim-bolana. [2.653 #1529]
Manao ho akan' ny alina, ka misavily sandry maizim-bolana. [2.165 #50]
Dikanteny frantsayPrétendre y avoir la nuit, puis aller danser dans les ténèbres (.... et se blesser). [2.165]

Ohabolana 2Miditra an-tranon' olona, mitsipy sandry, fa nony idirana an-trano mitan-takolaka. [2.558]
Miditra an-tranon’ olona, mitsipy sandry; ka raha idiran’ olona an-tiano, mitan-takolaka. [2.653]
Tsy mety raha miditra an-tranon' olona mitsipy sandry, fa nony hidiran' olona an-trano mitàn-takolaka. [2.558 #4642]
Tsy mety raha miditra an-tranon' olona mitsipy sandry, ka nony hidiran' olona an-trano mitan-takolaka. [2.415 #4070, 2.653 #3459]
Dikanteny frantsayIl ne sied pas d'agiter les bras en signe de joie quand on entre chez les autres, et de se tenir les joues en signe de tristesse quand on a des visiteurs. [2.415 #4070]
Fanazavana frantsaySe disait des égoïstes, empressés à demander service mais paresseux à rendre eux-mêmes service. [2.415 #4070]

Fizahan-teny