Fizahan-teny

Ohabolana : tohika

Ohabolana 1Aleo maty reniomby mahia, toy izay resy tohika. [2.558 #129]
Aleo maty reniomby toy izay ho resy tohika. [1.1]
Aleo maty reniomby, toy izay resy tohika. [2.415 #6338, 2.653 #101]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny olona be didoha tafaohatra ka aleony iharam-patiantoka bevava toy izay ho resy lahatra. [1.1]
Dikanteny frantsayIl vaut mieux perdre une vache que de céder quand on s' est entêté. [2.165]
L' obstiné est semblable à celui qui aime mieux perdre sa vache plutôt que céder. [2.415 #6338]

Ohabolana 2Raha tsy ny olitra tsy maharesy tohika anao. [2.558 #3675]
Raha tsy ny olitra tsy misy maharesy tohika anao. [2.165 #417, 2.415 #6382]
Dikanteny frantsayIl n' y a que le mal de dents qui vous fasse céder une fois que vous vous êtes entêté. [2.165]
Seul le mal de dents peut vaincre votre entêtement. [2.415 #6382]

Fizahan-teny