|
|
|
|

Teny iditra antso
Sokajin-teny anarana
 Famoahana feo na fanononana teny hampanatona na hampiavy olona ho tonga eo amin' ny tena; famoriana olona hanatrika na ho tonga; fanirahana hitaona olona ho avy [1.1]
 A call, a summons [1.2, 1.7]
 An invocation [1.2]
 Appel, convocation [1.3, 1.8]
 Publication, proclamation, invocation [1.3]
Ohatra 
1hoy ny antso avo afitsony. [2.503]
2Heno ny antso, ny baiko mifanaretsaka etsy sy eroa. [2.472]
3Miseho ao koa ny antso nataon-dravehivavy sy ny valin-tenin' ila. [1.38]
Sampanteny 

Teny iditra antso
Sokajin-teny anarana
Singan-teny antso
  [Sakalava] (de antso : action d'invoquer une puissance occulte ; cette plante toxique était employée dans les cérémonies d'exorcismes). Euphorbia antso Denis (Euphorbiaceae). Toxique dans toutes ses parties. Latex très irritant, caustique. [1.196]
Voambolana 
Anarana ara-tsiansa Euphorbia antso

Teny iditra Antso
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Mpanoratra Dox (Razakandraina Jean Verdi Salomon)
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra
Lahatsoratra Sendra mba nitopy, ity masoko nijery
hendratra ny foko, nahatsiaro ho irery
fa toa any aminao, lay fanalahidy
notadiaviko hatrin’ny ela…tsy tadidy

Fa taiza ianao… notadiaviko efa ela
tao anatin’ny tsy fantatro sy ny sisa mba tavela
fa nandalovanao ny masoko, ny foko tao anaty
velombelombolo aok’izany, tondrak’orana tsy maty

Angamba tsy ho kisendra ito lala-mifanojo
fa ny lahatra mihintsy no vintana voatondro
anjaran-tsika ny ampitso, hihainana anio
koa raiso ‘zany foko, ny antsony valio

Teny iditra Antso
Sokajin-teny anarana (lohatenin' boky)
Mpanoratra Andriamalala Emilson Daniel, 1943
Mpanonta printy 1961. Takila: 53.
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2023/07/19