| Teny iditra | ba | |
| Sokajin-teny | mpampitohy | |
| [Taisaka] Mba [1.78] | ||
| [Tanala] Mba: Ñ'kamo mihinañ'akida ka ba maniry 'hodiny à? (ilay kamo homan'akondro ka mba mitsiry va re ny hodiny e?) [1.78] | ||
| [Taisaka] Marque l'interrogation [1.82] | ||
| Teny iditra | ba | |
| Sokajin-teny | anarana | |
| [Tanosy] Fery, vay [1.78] | ||
| Voambolana | ||
| Tovy hevitra | bay | |
| Teny iditra | ba | |
| Sokajin-teny | anarana | |
| Ny fingadonan' ny andalan-tononkalo, izay avy amin' ny toeran' ny tsindrimpeo amin' ny andalana tsirairay avy: Misy karazany roa ny ba, dia ny ba mingadona (ohatra Làpa) ary ny ba mitsaika (ohatra Tàratra) Fomba fandrefesana ny feo amin' ny mozika: Ba efatra izany mozika izany [1.1] | ||
| Bar in music [Eng. Bar.] [1.2] | ||
| A measure in music; time in music [1.7] | ||
| Mesure en musique [1.8] | ||
| Voambolana | ||
| Ohatra | Betsaka ny tanora mankafy ny Kalon'ny Fahiny: te hahafantatra sy hifehy ny Ba Gasy
[4.12] | |
| Ny fihaviany | Fanazavàna teny anglisy: bar. Fanazavàna teny frantsay: battre (la mesure). | |
| Teny nalaina | Soratra misy io teny io | |
| Teny iditra | ba | |
| Sokajin-teny | anarana | |
| [frantsay bas] Karazan-tenondamba vita tanana na mima atao amin' ny kofehy volonondry izay ampifampidipidirina manara-dalàna amin' ny vin-korise na vim-ba: Manana akanjo ba mangamanga i Koto kely / Mahay manao ba ny vadin-dRabe Fonon-tongotra rehefa atao anaty kiraro [1.1] | ||
| Stockings, socks. [Fr. Bas] [1.2] | ||
| Knitting [1.7] | ||
| [français bas] tricot [1.8] | ||
| Voambolana | ||
| Sampanteny |
| |
| Ny fihaviany | Fanazavàna teny frantsay: bas. | |
| Teny iditra | ba | |
| Sokajin-teny | anarana | |
| [Sakalava] Karazan' oviala misy vodiny boribory sahala amin' ny tavolo [1.1] | ||
| [Sakalava] A shrub [1.2] | ||
| Voambolana | ||
| Teny iditra | ba | |
| Sokajin-teny | anarana | |
| [frantsay banc] Hazo fisaka lavalava misy tongony, natao hipetrahana Dabilio [1.1] | ||
| Ny fihaviany | Fanazavàna teny frantsay: banc. | |
| Teny iditra | ba~ | |
| Sokajin-teny | tovona | |
| A prefix joined to many roots, a balelaka [primary root lelaka] [1.2] | ||
| Teny iditra | Ba
![]() | |
| Sokajin-teny | anarana (eva) | |
| Singa mivaingana, faha-56 amin'ny fisokajiana miherina. [3.1] | ||
| Barium. [3.1] | ||
| Voambolana | ||
| Tsanganana sy sary iray takila | Fisokajiana miherina | |
| Nohavaozina tamin' ny 2024/09/07 |
|