|
|
|
|

Teny iditra fankasitrahana (sitraka)
Sokajin-teny anarana
 Fampisehoana fahafaham-po noho ny asa vita: Nahazo fankasitrahana tamin' ny lehibeny Rakoto ka faly aoka izany
Fanehoana fihetseham-po mitory hafaliana sy fitiavana noho ny soa noraisina tamin' olona: Tsy tokony hisy fetra ny fankasitrahan' ny zanaka ny ray aman-dreny
Fankatoavana, fankamamiana: Tsy hita holazaina ny fankasitrahan' ny be sy ny maro ny lahateninao [1.1]
 Thankfulness; a reward [1.7]
 Approbation ; remerciement, gratitude [1.8]

Nohavaozina tamin' ny 2023/09/08