|
|
|
|

Teny iditra iza
Sokajin-teny mpisolo anarana [Fitanisana]
 Atao eo aorian' ny anarana ka entina milaza olona: Ankizy iza no nandrovitra itỳ bokiko itỳ? nefa azo ilazana zavatra koa izy ka amin' izay entina manavaka ny iray amin' ny zavatra anankiroa na betsaka voalaza: Satroka iza amin' ireto no hovidinao?
Manao ny ankabeazan' ny asan' ny anarana ary enti-milaza olona indrindra: Iza no nanambara izany vaovao izany taminao? / Zanak' iza itỳ zaza itỳ?, nefa mety hilaza zavatra na biby ny "iza" mpisolo anarana raha ta hanavaka ny iray amin' ny zavatra roa na betsaka: Iza no hoentinao amin' ireto omby ireto? [1.1]
 Who? [1.7]
 Qui? [1.8]
Tovy hevitra zovy
Tsanganana sy sary iray takila Ny mpisolo rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2019/08/17