|
|
|
|

Teny iditra lehilahy
Sokajin-teny anarana
Singan-teny lehy, lahy
 Teny ilazana ny lahy amin' ny karazan' olombelona, mifanohitra amin' ny vehivavy: Teo aloha nandoa karatra daholo ny lehilahy feno iraika amby roapolo taona
Olona manankerimpo, mijoro amin' ny heviny, mahavita zavatra: Izany ka lehilahy!
(fiteny tsy mihaja) Sakaiza na vady lahy: Lasa niaraka amin' ny lehilahiny any izy [1.1]
 A man [1.7]
 Homme (mâle) [1.8]
Sampanteny 

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/05