|
|
|
|

Teny iditra lovabe
Sokajin-teny anarana
Singan-teny lova, be
 Harena tsy mba zarain' ny ray aman-dreny amin' ny mpandova mba samy hizaka ny anjarany tsirairay avy, fa apetrany amin' ny lahimatoa na ny vavimatoa [1.1]
Ohatra 
1Vita ny trano vaovao nampanaovin' Idada ho solon' ilay trano lovabe nitoeranay hatramin' izay. [2.332]
2Fa ny ala no lovabe tsy voazara, fiveloman'ny kamboty sy ny zaza amim-behivavy sy izao oloko rehetra izao sady anaovantsika trano. [2.508]

Nohavaozina tamin' ny 2023/12/18