| Teny iditra |
mamitsaka
(fitsaka)
|
| Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
| | Manao izay hahafisaka, hampifintina: Mamitsaka ny tony ny ranonorana 1) Mipetraka tsara miampirimpirina tsy mihetsika amin' ny toerana iray: Mamitsakaeo amorompotana ny saka 2) Miery ao an-katakonana sady mitily: Namitsakatao anaty lobolobo ilay mpangalatra 3) Mipetraka, miaritra, miandry fotoana tsaratsara kokoa: Mamitsaka izahay izao fa resy [1.1]
|
| | To throw down; to lie down, to hide one's self, to crouch. [1.2]
|
| Ohatra |
| 1 | Nihemotra indray angaha sa ao ihany fa mamitsaka mitady hanao an-kendrena?
[2.587]
|
| 2 | Mbola mamitsaka miery ato am-poko ity fitiavana, fitiavana ity, ka manorisory ny androko.
[2.499]
|
|
| Haiendriteny |
| Ny ankehitriny : |
mamitsaka |
| Ny lasa : |
namitsaka |
| Ny hoavy : |
hamitsaka |
| Filaza mandidy : |
mamitsaha |
|
|