|
|
|
|

Teny iditra manangona (angona)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
 Manao izay hahatonga olona maro amin' ny toerana iray: Manangona ny mpianatra rehetra ny lehiben' ny sekoly
Mamory zavatra betsaka hotehirizina: Manangona loto no raharahan-dRangahy iny
Mampivondrona: Nanangona ny heriny rehetra izy dia nitsambikina [1.1]
 To collect, to assemble, to gather things or persons together. [1.2]
 Rassembler, accumuler [1.13]
Ohatra Tsy maintsy manangona hery tsara amin' ny fitondrana azy an-doloha ho ery amin' ny gara, iny alina iny ihany. [2.470]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manangona
Ny lasa : nanangona
Ny hoavy : hanangona
Filaza mandidy : manangòna

Teny iditra manangòna (angona)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manangona [Fitanisana]

Teny iditra manangona
Sokajin-teny anarana
  [Tankarana] (de manana : prendre, avoir, et gona : les coups). Sakoanala villosa R.Vig. (Fabaceae). Bois sans grand intérêt. Voir aussi sakoanala. [1.196]
Voambolana 
Anarana ara-tsiansa Sakoanala villosa

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20