|
|
|
|

Teny iditra manintsana (hintsana)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
 Mandraraka amin' ny alalan' ny fanetsiketsehana: Manintsam-parasy eto io alika io fa roahy any
Manetsiketsika mba hifatratrakokoa ny zavatra afatra: Aza hadinoina ny manintsana ny famarana rehefa mividy vary
Manasivana: Manintsana fasika ny mpandalotra
Mandehandeha na mihazakazaka na mandihindihy rehefa avy mihinana mba hahalevona ny sakafo haingana
Mirara-dravina, miongo-bolo: Manintsana ny hazo sasany rehefa ririnina ~ Vorona efa nanintsana io [1.1]
Ohatra sambatra kosa itony ambiaty
mahafolaka am-bozona ny taona
ka ririnina tsy mba manintsana
lohataona mamony ihany
ary fahavaratra manorobona
[2.131]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manintsana
Ny lasa : nanintsana
Ny hoavy : hanintsana
Filaza mandidy : manintsàna

Teny iditra manintsàna (hintsana)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manintsana [Fitanisana]
  [1.1]
  [1.3]

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20